Ireo aretina mety ho azo vokatry ny tsy fanasana tsara ny tanana
Marihana isa-taona ny faha-15 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana. Mifototra amin’ny fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fanasana matetika ny tanana amin’ny savony izy io mba hisorohana ny aretina sasany. Anisan’ny fomba mahomby indrindra hisorohana ny fiparitahan’ny aretina maro ateraky ny mikraoba tokoa mantsy izany. Araho eto ny santionany amin’ireo aretina fahita indrindra mety ho azo vokatry ny tsy fanasana tsara ny tanana.
Afaka mampita aretina tokoa ve ny tanana ?
Mety hisy mikraoba sy otrikaretina avy amin’ny rora, ny tsiranoka avy amin’ny taovam-pisefoana, ny diky ary avy amin’ny toerana maloto kasihan’ny tanana. Io tanana io nefa avy eo mety hikitika ny vava, ny orona na ny maso ka afaka mampiditra ireo mikraoba na otrikaretina ireo ao amin’ny vatana. Satria moa ny tanana dia mikasika zavatra maro mandritra ny tontolo andro : varavarana, vola, finday, sakafo, olona hafa… dia mazava ho azy fa mety hiparitaka amin’ny hafa ireo mikraoba ireo.
Aretina azo vokatry ny tanana maloto : aretin-kibo sy fivalalana ateraky ny viriosy
Anisan'ny aretina miparitaka fahita indrindra azo avy amin'ny tanana maloto ny aretin-kibo ateraky ny viriosy, toy ny « norovirus » na « rotavirus ». Ny soritr'aretina mahazatra aterak’izany dia ny fivalanana, fandoavana, fanaintainan’ny kibo ary tazo amin’ny tranga sasany. Mora miparitaka ireo viriosy ireo, indrindra rehefa tsy manasa tanana tsara ny olona rehefa avy any amin'ny trano fivoahana (W.C).
Fanapoizinana ara-tsakafo
Misy bakteria sasany, toy ny « Salmonella » sy « E. coli », no afaka mipetaka amin'ny tanana rehefa avy mikarakara hena manta na rehefa avy mampiasa trano fivoahana. Raha mifindra amin'ny sakafo ireo bakteria ireo dia mety hiteraka: fivalanana, maloiloy, fandoavana, fanaintainan’ny kibo, tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana. Mety ho mafy kokoa ny voka-dratsiny amin'ny zaza madinika, ny zokiolona ary ireo olona marefo ara-pahasalamana.
« Hépatite A »
Ny « hépatite A » dia aretina ateraky ny virosy izay manafika ny aty. Matetika izy io dia mifindra amin’ny alalan’ny loto avy aminy diky tafiditra amin’ny sakafo, rano na tanana. Anisan’ireo soritr’aretina mety hita ny havizanana lalina, fahalain-komana, maloiloy, fanaintainan'ny kibo, hoditra sy maso mavo. Isan’ireo fisorohana tena ilaina indrindra hiadiana amin’ny « hépatite A » ny fanasana tanana tsy tapaka.
Aretina amin'ny taovam-pisefoana
Tsy ny aretin-kibo ihany no aretina mety ho azo vokatry ny tsy fanasana tsara ny tanana. Maro ihany koa ireo viriosy mahatonga aretina amin'ny taovam-pisefoana izay mety hiparitaka amin’ny alalan’ny tanana. Rehefa mikohaka na mievina ny olona iray dia mety hipetraka amin'ny tanana sy amin'ny zavatra manodidina ny mikraoba. Rehefa mikasika ny orona, ny vava na ny maso avy eo ny olona iray dia mety ho voan'ny aretina. Anisan'ireo aretina mety hiparitaka amin'izany ny sery, gripa sasany sy ny aretina hafa amin’ny taovam-pisefoana.
Aretin’ny maso
Ny fikasihana maso amin’ny tanana maloto dia mety hahatonga areti-maso sasany, indrindra ny « conjonctivite ». Raha izany no mitranga dia mety hiseho amin’ny maso ny soritr’aretina toy ny maso mena, mangidihidy, misy tsiranoka mivoaka, fahatsapana mavaivay na mangirifiry.
Ahoana ny fomba fanasana tsara ny tanana ?
Mba hahomby ny fanasana tanana dia ilaina ny:
-Manondraka ny tanana amin'ny rano madio.
-Mampiasa savony.
-Mikosoka ny faritra rehetra amin'ny tanana, anisan'izany ny elanelan'ny rantsantanana sy ny ao ambanin'ny hoho.
-Mikosoka mandritra ny 20 segondra farafahakeliny.
-Mikobana tsara amin’ny rano madio.
-Mamafa ny tanana amin'ny servieta madio na avela ho maina amin’izao.





