Inona no mahatonga ny olona sasany mbola tanora dia efa fotsy volo ?
Matetika dia ny volo fotsy dia fizotran-javatra voajanahary miaraka amin’ny fahanterana. Mety hisy ihany koa nefa olona mbola tanora, eo amin’ny faha-20 na faha-30 taona, dia efa misy volo fotsy. Toe-javatra fahita izy io ary matetika anton-javatra maro no mahatonga izany. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra mikasik’izany.
Ahoana no mahatonga ny volo ho fotsy?
Ny lokon’ny volo dia avy amin’ny « pigment » antsoina hoe « mélanine ». Ny sela manokana antsoina hoe « mélanocytes » ao anatin’ny « follicules pileux » no mamokatra izany.
Rehefa mihantitra ny olona dia mihena tsikelikely ny famokarana « mélanine » ka lasa miova volondavenona ary avy eo fotsy ny volo. Amin’ny olona sasany kosa anefa dia mety miseho aloha lavitra noho ny mahazatra izany dingana izany. Izany no antsoina hoe « canitie prématurée » na fotsy volo aloha loatra. Maro ireo antony mety mahatonga azy io.
Antony mahatonga ny volo fotsy aloha loatra : ny lova ara-pirazanana na « génétique »
Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia mifandray amin’ny « génétique » ny fisehoan’ny volo fotsy aloha loatra. Raha fotsy volo tanora ny ray aman-dreniny na ny raibe sy reniben’ny olona iray, dia mety hanahaka izany ihany koa izy.
Ny fikarohana ara-tsiansa dia mampiseho fa misy « gène » maro mandray anjara amin’ny famokarana sy ny fizarana ny « mélanine » ao amin’ny volo. Noho izany dia misy olona mety hisy volo fotsy dieny faha adolantsentony na amin’ny fiandohan’ny fahalehibeazany noho ny lova ara-pirazanana fa tsy hoe misy aretina akory.
Marina ve fa mahafotsy volo ny rarintsaina?
Efa ela no niely ny filazana fa mahafotsy volo mbola tanora ny rarintsaina. Ankehitriny moa dia misy ireo valim-pikarohana ara-tsiansa manohana izany. Hitan’ny mpikaroka fa ny rarintsaina mafy dia mety hampihetsika ny rafi-pitatitra izay manimba na mampihena ireo sela fototra mamelona ny « mélanocytes ».
Rehefa lany ireo sela ireo dia very ny lokon’ny volo. Na izany aza anefa dia matetika tsy ny rarintsaina irery no anton’izany. Mety hanafaingana ny fahafotsian’ny volo fotsiny ihany izy io, indrindra raha efa misy fironana ara-pirazanana.
Mety hisy ifandraisany amin’ny tsy fahampian-tsakafo sasany
Misy ireo fikarohana nahita fifandraisana teo amin’ny volo fotsy aloha loatra sy ny tsy fahampiana otrikaina sasany, toy ny :
-Vitamina B12;
-Vy (fer);
-Vitamina D ;
-« Zinc ».
Ny vitamina B12 no isan’ny tena voadinika indrindra. Rehefa tsy ampy azy io ao amin’ny vatana dia mety hisy fiantraikany amin’ny fiasan’ireo sela tompon’andraikitra amin’ny lokon’ny volo izany. Amin’ny tranga sasany dia mety hanampy amin’ny famerana ny fahafotsian’ny volo aloha loatra ny fanitsiana io tsy fahampiana io, indrindra raha hita aloha.
Mety hanafaingana ny fisian’ny fotsy volo ny sigara
Ny fifohana sigara dia mampitombo ny « stress oxydatif » ao amin’ny vatana. Izany dia mety hanimba ireo sela mamokatra « mélanine » ka hahatonga ny volo hiloko volondavenona na ho fotsy haingana kokoa. Fikarohana maro no nahita fifandraisana misy eo amin’ny sigara sy ny volo fotsy aloha loatra.
Misy aretina sasany mety hisy hifandraisany aminy
Amin’ny tranga tsy fahita firy, dia mety mifandray amin’ny aretina sasany izay misy fiantraikany amin’ny « pigmentation », ny hery fiarovan’ny vatana, na ny « gène » sasany ny volo fotsy aloha loatra. Na izany aza dia tsara ny manamarika fa amin’ny ankamaroan’ny olona salama dia tsy mariky ny aretina lehibe ny fisehoan’ny volo fotsy aloha loatra.
Afaka sorohana ve ny volo fotsy aloha loatra?
Hatramin’izao dia mbola tsy misy fomba voaporofo ara-tsiansa afaka misoroka tanteraka ny volo fotsy aloha loatra raha avy amin’ny ny « génétique » no antony mahatonga azy. Misy ihany nefa ireo fahazarana mety hanampy amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny volo:
-Mihinana sakafo voalanjalanja;
-Mitsabo ny tsy fahampian-tsakafo na otrikaina raha misy;
-Miala amin’ny sigara;
-Miezaka mifehy ny rarintsaina maharitra;
-Manatona mpitsabo raha tampoka na haingana be ny fisehon’ny volo fotsy.





