Fantatrao ve fa mety mihafohy ny olona rehefa mahazo taona na mihantitra ?
Rehefa mandroso ny taona dia mety hihena tsikelikely ny halavan’ny olona iray. Matetika tsy dia tsikaritra loatra izany amin’ny voalohany, saingy mety ho hita kokoa rehefa manomboka eo amin’ny faha-50 na 60 taona. Inona àry no mahatonga izany? Vokatry ny fahanterana fotsiny ve izy io sa mety ho famantarana olana ara-pahasalamana? Misy antony maromaro mahatonga ny olona hihafohy rehefa mihantitra, ka handeha ho fantarina eto tena manan-danja amin’izany.
Mihamanify ny kapila eo anelanelan’ny taolan-damosina
Ahitana taolana maromaro mifanesy ao amin’ny hazondamosina, ary misy kapila malefaka atao hoe « disques intervertébraux » eo anelanelan’izy ireo. Ireo kapila ireo dia manampy amin’ny fisorohana ny dona, manamora ny fihetsiky ny vatana ary mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana ny halavan’ny lamosina.
Rehefa mihantitra ny olona dia mihena tsikelikely ny rano ao anatin’ireo kapila ireo, ka very ny hateviny sy ny fahafahany miverina amin’ny endriny tany am-boalohany. Vokatr’izany dia mihamanify izy ireo ary mihena ny fahafahany misakana ny tsindry mianjady amin’ny hazondamosina. Mihena araka izany ihany koa ny elanelana eo amin’ny taolan-damosina sasany. Izany no mety hahatonga ny halavan’ny olona hihena tsikelikely rehefa mandeha ny taona.
Toe-javatra mety hitranga ara-boajanahary izany, saingy tsy mitovy ny halehiben’ny fiovana amin’ny olona rehetra. Misy fiantraikany amin’izany ny fomba fiaina, ny toe-pahasalamana ary ny fahasalaman’ny hazondamosina.
Mihamalemy ny taolana
Rehefa mihantitra ny olona dia mety hihena tsikelikely ny hakitroky ny taolany. Raha lasa be loatra izany fihenana izany dia antsoina hoe « ostéoporose », izany hoe aretina mahatonga ny taolana ho mora vaky. Mampitombo ny « risques » mety hisian’ny fahavakisan’ny taolana io aretina io, indraindray na dia tsy nisy dona mafy aza.
Anisan’ny taolana tena mety ho voakasik’izany ny taolan-damosina, satria izy ireo no mitondra ampahany betsaka amin’ny lanjan’ny vatana ary iharan’ny tsindry isan’andro. Rehefa malemy ny taolan-damosina iray dia mety ho potika na hihitsoka ka hihena ny haavony. Raha taolan-damosina maromaro no voakasika dia mety hihena be ny halavan’ilay olona.
Mety tsy hiseho mazava ny soritr’aretin’ny « ostéoporose » mandritra ny fotoana maharitra. Noho izany, ny fihenan’ny halavana tsy mahazatra dia mety ho famantarana tokony hampitandrina, indrindra amin’ny olona antitra.
Miova ny fijoroan’ny vatana
Efa nahatsikaritra ve ianao fa misy olona antitra lasa toy ny miondrika kokoa noho ny tamin’ny fahatanorany rehefa mijoro? Mety ho antony iray mahatonga ny halavana hihena ihany koa io fiovan’ny fijoroan’ny vatana io.
Rehefa mandroso ny taona dia mety hihena ny tanjaky ny hozatra mitazona ny lamosina hahitsy. Mety hihamafy ihany koa ny tonon-taolana, ary ny fiovana sasany eo amin’ny hazondamosina dia mety hahatonga ny vatana hirona mankany aloha.
Vokatr’izany dia lasa fohy kokoa ilay olona, na dia tsy ny taolana rehetra aza no nihena ny halavany. Mety hiteraka fanaintainan’ny lamosina, hanasarotra ny fihetsiketsehana ary hanembantsembana ny asa andavanandro ihany koa ny fijoroana miondrika.
Manomboka amin’ny faha firy taona no mihena ny halavana ?
Tsy misy taona voafaritra mazava anombohan’ny fihenan’ny halavana eo amin’ny olona rehetra. Misy olona efa mahatsikaritra fiovana kely manomboka eo amin’ny faha-40 na 50 taona, fa misy kosa mbola mitazona ny halavany mandritra ny fotoana lava kokoa.
Matetika dia miharihary kokoa io fihenan’ny halavana io rehefa mihoatra ny 60 taona, indrindra rehefa mitambatra ny fiovan’ny kapila eo anelanelan’ny taolan-damosina, ny fahalemen’ny taolana ary ny fiovan’ny fijoroan’ny vatana.
Miankina amin’ny anton-javatra maro izany, toy ny lova ara-pirazanana, ny toe-pahasalamana, ny fanaovana fanatanjahan-tena, ny sakafo, ny fifohana sigara ary ny fisian’ny « ostéoporose ».
Tsy voatery ho mampanahy arak’izany ny fihenan’ny halavana kely sy miandalana. Raha mihena haingana na be loatra kosa ny halavana dia tsara ny manatona mpitsabo.





