• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Curryhouses.Webp
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny karoty, legioma mahasoa ny fahasalaman'ny maso sy ny vatana

28/07/2026 20:42 © Moov

Raha vao miteny hoe karoty dia ny Vitamine A no mby an-tsaina voalohany. Tsy vitan'ny mahasoa ny maso ihany nefa io legioma io fa mahatsara ny fahasalamana amin'ny ankapobeny mihitsy.

Manankarena vitamines, potassium, fer, fibres sy akora mahasoa isan-karazany ny karaoty. Enimbolana ny olombelona dia efa afaka mihinana io legioma io, izay amporisihina ho in-telo isan-kerinandro farafahakeliny ny fihinana azy.

Mahasalama ny tsinay

Noho ny Fibres ananany, mahatsara ny fiasan'ny tsinay ny karoty. Manamora ny fiforonan'ny maloto izy sady misoroka ny fitohanana (constipation). Raha sendra tratran'ny fitohanana araka izany, misy fiantraikany tsara sady haingana ny fisotroana ranomboankazo azo avy amin'ny karoty.
Tsara ny manamarika fa manamora ny fandevonan-kanina ihany koa ny karoty. Amporisihina ny fihinanana karoty manta na mantamanta (atao lasary ohatra) raha misafidy sakafo matsiro sy somary matavy.

Misoroka ny fahanterana aloha loatra

Miaro ny hoditra tsy ho mora antitra ny karoty. Manataraiky ny fisehoan'ny kentrona io legioma io. Raha te ho tanora lalandava izany, tsara raha mihinana karoty matetika. Hita mandavan-taona rahateo io vokatra io ka tsy tokony hanahirana ny mitady azy.
Tsara nefa ny mahalala fa mitazona ny lokon'ny hoditra ny karoty. Raha main'ny masoandro izany, maharitra kokoa ny fahamatrohan'ny hoditra (bronzage). Miaro ny hoditra nefa io legioma io ka ho salama tsara hatrany ny hoditra na dia miova loko aza.

Lire la suite

Articles Similaires