Fitehirizana sakafo : Fantaro ireo voankazo sy legioma tsy tokony ampidirina "Frigo"
Tsy vitsy ireo manao "provision" herinandro na tapa-bolana, ka mitahiry sakafo mandritra ny fotoana maharitra. Misy nefa ireo voankazo sy legioma tsy tokony hampidirina vata fampangatsiahana.
Ireo "Fruits exotiques"
Tsy tsara ampidirina "frigo" ny mananasy, papay, manga sy garana. Tafiditra ao anaty lisitra ihany koa ny akondro. Manimba ny tsirony mantsy ny hatsiaka. Raha efa natao "salade de fruit" kosa ireo voankazo ireo, azo tehirizina fotoana fohy, izany hoe tapak'andro na mandritra ny alina raha ela indrindra.
Raha hanao ranomboankazo kosa, tsara raha amboarina avy hatrany izany vantany vao voavidy ny voankazo. Miha-matsatso mantsy ireo voankazo efa nampangatsiahana. Tsy mampiova ny tsiron'ny ranomboankazo kosa ny fitehirizana azy.
Ireo "Fruits à noyaux" sy "agrumes"
Tsy tokony tehirizina amin'ny hatsiaka ihany koa ny voankazo misy voany lehibe. Anisan'izany ny zavokà sy ny karazam-paiso rehetra. Tahaka izany ihany koa ireo voankazo lazaina hoe marikivy, toy ny voasary sy ny pamplemousse.
Ireo legioma mena
Manimba ny tsiron'ny voatabia ny fampidirana azy anaty vata fampangatsiahana, na dia mora simba aza io vokatra io. Raha te hitahiry voatabia, somary mafy no vidiana, ka apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka sy maina tsara. Tsy tokony miditra "frigo" ihany koa ny vomanga sy ny baranjely.
Ireo vokatra natoraly hafa tsy tia hatsiaka : tongolo, tongologasy, ovy, poivron, courgette.




