• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Veromanitra : mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana

23/07/2026 15:47 © Moov.Mg

Zava-maitso fanao dite efa fantatry ny be sy ny maro ny veromanitra na « citronnelle ». Fanomezana hanitra ny sakafo ary fanaovana raokandro samihafa ihany koa izy io amin’ny firenena maro any Azia. Ny « huiles essentielles » hita ao aminy, indrindra ny « citral », dia mitondra vokatsoa maro amin’ny vatana. Inona avy àry ny vokatsoa ho an’ny fahasalamana mety ho azy avy amin’ny veromanitra ?

Manampy amin’ny fanamorana ny fandevonan-kanina ny veromanitra

Anisan’ny fampiasana malaza indrindra ny veromanitra ny fanampiana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny taovam-pandevonan-kanina. Ny fisotroana azy io atao dite dia mety hanampy amin’ny:
-fampihenana ny fahatsapana « ballonnements »;
-fanamorana ny fandevonan-kanina;
-fanalefahana ny tsy fahazoana aina kely ao amin’ny tsinay vokatry ny rivotra.
Ny singa manitra ao aminy dia mety hanampy amin’ny fampitoniana ny hozatra ao amin’ny rafi-pandevonan-kanina ka hampihena ny fikorontanana madinika.

Manankarena akora miaro ny sela (antioxydants)

Ny veromanitra dia mitahiry akora « antioxydants » izay manampy ny vatana hiady amin’ireo « radicaux libres ». Ny vatana dia mamorona ara-boajanahary « radicaux libres », saingy rehefa be loatra izany dia mety hanimba ny sela sy hanafaingana ny fahanterany. Ny fihinanana sakafo sy zavamaniry manankarena « antioxydants » moa dia manampy hanohanana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

Manampy amin’ny fampitoniana ny saina sy ny vatana

Ny fofon’ny veromanitra dia ampisaina matetika amin’ny fitsaboana mampiasa fofona na « aromathérapie » noho izy io manana toetra mampitony. Ny fisotroana dite veromanitra mafana dia afaka manampy amin’ny fampitoniana ny « système nerveux » sy fampialana sasatra ny vatana rehefa reraka. Marihana nefa fa tsy mahasolo ny fitsaboana omen’ny mpitsabo izy io ho an’ireo manao « anxieté » lalina.

Manana toetra manohitra ny mikraoba ny veromanitra

Ny « citral » hita ao anatin’ny veromanitra dia singa iray mety manakana ny fitomboan’ny bakteria sy « champignons » sasany araky ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana. Na izany aza nefa dia tsy midika izany fa afaka misolo ny antibiotika na fanafody omen’ny mpitsabo izy. Ny fampiasana azy dia tokony ho raisina ho fanampin’ny fitsaboana fotsiny ihany.

Fepetra tokony hotandremana

Na dia zavamaniry natoraly aza ny veromanitra dia tsy midika izany fa mety amin’ny olona rehetra izy io. Tsara arak’izany raha manontany ny mpitsabo vao mampiasa na misotro azy ny :
-vehivavy bevohoka na mampinono;
-ankizy madinika;
-olona misotro fanafody sasany;
-olona mora tratran’ny tsy fahazakana zavamaniry (allergie).
Ny fisotroana na fampiasana veromanitra tafahoatra dia mety hiteraka tsy fahazoana aina amin’ny fandevonan-kanina amin’ny olona sasany.

Lire la suite

Articles Similaires