Ny fisotroan-dronono na « retraite » sy ny fahasalamana : ‘ndeha ho resahana !
Dingana iray lehibe eo amin’ny fiainana ny fisotroan-dronono na « retraite ». Rehefa tapitra ny taona maro niasana dia manomboka fiainana vaovao, feno fahafahana sy fotoana malalaka kokoa. Mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina nefa izany fiovana izany. Misy ireo miaina am-piadanana, fa misy koa ireo miatraika olana samihafa, toy ny fitokana-monina sy ny olana ara-pahasalamana.
Fisotroan-dronono : fiovana lehibe eo amin’ny fahazarana andavanandro
Rehefa avy niasa nandritra ny taona maro ny olona iray dia lasa miova tanteraka ny fiainana andavanandrony aorian’ny fisotroan-dronono. Tsy misy intsony ny ora fiasana hentitra, tapitra ny andraikitra amin’ny asa, ary mihena ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miasa.
Ho an’ny sasany dia fahafahana sy fiadanana izany, fa ho an’ny hafa kosa dia mety hahatonga fahatsapana ho fahabangana izany. Miankina amin’ny anton-javatra maro moa ny fahafahan’ny olona miatrika izany fiovana izany, toy ny toe-pahasalamana, ny toe-bola, ny fianakaviana, ny toetra ary ny tetikasa kasaina hatao amin’ny ho avy.
Ny vokatra tsara ateraky ny fisotroan-dronono
Ho an’ireo olona nanana asa feno tsindry sy adin-tsaina be dia matetika mahatsapa ho mihena izany rehefa tonga ny fisotroan-dronono. Milamina kokoa ny fiainana satria tsy misy intsony ny enjikenjika sy rarintsaina samihafa vokatry ny asa. Izany dia mety hanampy : hanatsara ny torimaso; hampihena ny tosidra; hiaro ny fo sy ny lalandrà; hanatsara ny fahasalamana ara-tsaina…
Rehefa misotro ronono ihany koa dia malalaka kokoa ny fotoana hanaovana fanatanjahantena, hanomanana sakafo mahasalama, hanaovana fizaham-pahasalamana ary hanaovana ireo fialamboly tiana natao hatry ny ela.
Ny voka-dratsy mety hitranga
Fihenan’ny fivezivezena sy fanetsiketseham-batana
Rehefa tsy miasa intsony ny olona dia mety hihena be ny hetsika ara-batana, indrindra raha nitaky fihetsiketsehana betsaka ny asa nataony taloha. Izany dia mety hampitombo ny « risques » hahatonga :
-fitomboan’ny lanja;
-diabeta karazana faha-2;
-tosidra ambony;
-aretin’ny fo sy sy lalandrà;
-fihenan’ny hozatra.
Fitokana-monina
Matetika ny toeram-piasana no toerana ahazoana namana sy fifandraisana ara-tsosialy. Rehefa misotro ronono dia mety hihena tsikelikely ireo fifandraisana ireo. Ny fitokana-monina nefa dia mety hampitombo ny « risques » hahatonga:
-fahaketrahana;
-tebiteby;
-fihenan’ny fahaiza-misaina;
-fahatsapana ho tsy misy vidiny.
Ireo olona mipetraka irery no tena mora voakasik’izany.
Fiantraikany amin’ny fahaiza-misaina
Ho an’ny olona sasany dia mety hihena ny fanazaran-tsaina rehefa misotro ronono, indrindra raha nitaky fifantohana sy fisainana lalina ny asa nataony taloha. Mba hitazonana ny fitadidiana sy ny fahaiza-misaina dia tsara ny:
-mamaky boky tsy tapaka;
-mianatra fahaiza-manao vaovao na fiteny vaovao;
-manao lalao mampiasa saina;
-manaraka fiofanana;
-mandray anjara amin’ny hetsika ara-kolontsaina.
Ny aretina mety hiseho na hiharatsy aorian’ny fisotroan-dronono
Rehefa mihantitra ny olona dia mitombo ny « risques » hisian’ny aretina sasany. Tsy ny fisotroan-dronono mivantana no mahatonga azy ireo, saingy mety hampitombo ny « risques » ny fiovan’ny fomba fiaina.
Anisan’ireo aretina fahita:
-vanin-taolana (arthrose);
-aretin’ny fo sy sy lalandrà;
-diabeta;
-fahalemen’ny taolana (ostéoporose);
-olana amin’ny fitadidiana.
Zava-dehibe ny manao fizaham-pahasalamana tsy tapaka mba hahitana sy hitsaboana haingana ireo aretina ireo.
Ahoana no atao hiarovana ny fahasalamana rehefa « retraité »?
Ireto misy fahazarana tsara ampiharina:
-manao fanatanjahantena farafahakeliny 150 minitra isan-kerinandro;
-mitazona ora fatoriana voalamina;
-mihinana sakafo voalanjalanja;
-mitazona fifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana;
-mandray anjara amin’ny fikambanana na asa an-tsitrapo;
-manohy mianatra sy mamolavola fahaiza-manao vaovao;
-manao fizaham-pahasalamana tsy tapaka;
-mametraka tanjona sy tetikasa vaovao ho an’ny tena.




