• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sciences Et Avenir
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy mety mahita tory : Inona no tokony atao ?

14/07/2026 13:57 © Moov

Tsy vitsy ireo manana olana amin'ny torimaso : eo am-pandriana ihany nefa lany ora vitsivitsy vao tena matory. Raha voakasik'izany ianao, misy fahazarana maromaro mila hajaina tsara.

Matory amin'ny ora mahazatra

Manimba torimaso ny famonjena fandriana amin'ny ora miovaova isan'alina. Ilaina araka izany ny mandamina ny fandaharam-potoana isan-kariva, mba hanajana tsara ny ora fatoriana : amin'ny 10 ora alina ohatra.
Ezahina vitaina mialoha io ora io avokoa ireo raharaha na fikarakarana vatana na fisakafoanana na fialamboly. Tsy azo atao mihitsy ny miari-tory na misy horonantsary mahafinaritra ohatra amin'ny fahitalavitra.

Pihana mialoha ny karazana fitaovana elektronika

Anisan'ny mampandositra torimaso ny "écran". Mamoha ny saina mantsy ny horonantsary, sary, soratra na karazana fandaharana hita amin'ny finday na amin'ny fahitalavitra. Mba hanomanana ny saina amin'ny fakan'aina, tsara raha pihana avokoa ireo karazana fitaovana elektronika 30 minitra alohan'ny ora fatoriana.
Tsy fakana torimaso velively ny filalaovana finday na fiasana amin'ny solosaina na fijerevana fahitalavitra.

Sakafo maivana no hanina

Marobe ireo fianakaviana manararoatra mihinana sakafo matsiro, satria ny sakafo hariva no mba iarahan'ny mpianakavy. Mila mitandrina tsara nefa, satria manimba torimaso ireo karazan-tsakafo saro-devonina. Fidiana tsara araka izany ny sakafo hariva mba tsy ho be menaka na matavy na masiaka na be loatra ny fatrany. Fadiana ireo sakafo na rano misy akora simika toy ny ranomboankazo indostrialy sy ny sakafo afanaina (plats à rechauffer).
Manomana ny fakan'aina
Koa satria efa tsy tokony hikitika fitaovana misy "écran" intsony mialoha ny hatory, amporisihana ny famakiana boky mandritra ny fotoana fohy (mba tsy handreraka ny maso, nefa hampitoniana ny saina). Tsara ihany koa ny mandefa mozika malefaka, mba hampitoniana ny tebitebin-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires