Fahaverezan’olona : nandao ny tokantrano noho ny olana ara-pianakaviana ny 74%-n’ireo olona tsy hita
Ny 74%-n’ireo olona noheverina ho tsy hita teto Madagasikara, nanomboka ny volana janoary 2026 no mankaty, dia olona ninia nandao ny tokantranony noho ny olana ara-pianakaviana, fa tsy niharan’ny fakana an-keriny na heloka bevava, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, androany.
Olona sivy no hita faty, taorian’ny nahavery azy
Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, androany 24 jolay 2026, taorian’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana natao teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Analakely, ho fitrotroana am-bavaka ny firenena manoloana ny tsy fandriampahalemana. Araka ny tarehimarika navoakany, dia naharay filazana olona very miisa 256 ny Centre Opérationnel Anti-Enlèvement eny amin’ny Kaomisaria Tsaralalàna, hatramin’ny fiandohan’ny taona. Efa hita ny 175 tamin’ireo. Io ivon-toerana io no mandray ny filazana momba ny olona tsy hita, ny zaza very ary ny faty olona hita manerana ny Nosy.
Mikasika ireo faty olona hita, dia niisa 35 ireo tranga tsy misy ifandraisany amin’ny fahaverezana. Vokatry ny fahafatesana voajanahary ny 14 tamin’ireo, vono olona mampiahiahy ny valo ary fanariana zaza vao teraka ny telo. Etsy ankilany, olona sivy kosa no hita faty, taorian’ny nahavery azy.
Antontan-taratasy 30, eo am-pelatanan’ny fitsarana
Nilaza ihany koa ny minisitra fa miisa 30 ny antontan-taratasy mikasika izao trangana tsy fandriampahalemana eto Madagasikara izao, eo am-pelatanan’ny fitsarana manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Ny 12 amin’ireo no efa niakatra fitsarana. Namafisiny fa atao fitsirihana (autopsie) avokoa ireo fatin’olona rehetra hita, ary anaovana fanadihadiana ireo olona hita velona sy ny fianakaviany, rehefa tony sy milamin-tsaina kokoa izy ireo.
Momba ireo tsaho manondro ny « Franc-maçonnerie » ho ao ambadik’izao tsy fandriampahalemana izao, dia nanazava i Fanirisoa Ernaivo fa firehan-kevitra toy ny hafa izy io. Raha misy mpikambana voaporofo fa nanao heloka, dia ny heloka nataony no hanenjehana azy fa tsy ny maha-mpikambana azy. Nampitandrina ny rehetra izy, noho izany, mba tsy hanao tondro molotra tsy misy porofo.




