Androy sy Atsimo Andrefana : Sokatra velona miisa 57, sy henan-tsokatra tratra ary olona 4 voasambotra
Mitohy hatrany ny ady amin’ny fangalarana sokatra. Nahazoam-baovao, avy amin’ireo mponina, ny tany amin’ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana. Olona miisa 4 no voasambotra ary sokatra miisa 57 no tratra.
Fiaraha-miasa amin’ny mponina
Efa misy ny Malagasy tonga saina amin’ny tokony hiarovana ireto biby, hatahorana ho lany tamingana ireto. Fiaraha-miasa tamin’ireo mponina rahateono nahatrarana ireto mpangalatra ireto. Ny Talata 21 Jolay 2026, teo dia fantatra fa misy olona avy any Fotadrevo, Distrikan'Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, no voalaza fa mbola mangalatra sokatra ao amin'ny Fokontany Jedava, Kaominina Marolinta, Distrikan'i Beloha. Natao avy hatrany ny vela-pandrika. Niara-nanatanteraka izany ny DREDD Androy, izay tarihin'Andriamatoa Félix MAHATSINJO Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Chef Cantonnement Beloha, ny DTC Beloha, Zandary izay ny avy ao amin'ny Brigade Marolinta/Beloha, niaraka tamin'ireo mponina nanolotena sy ny fokonolona, ka nanatanteraka ny hetsika fisamborana.
Tratra tamin’izany ireo olona 3 izay tazomina ao amin'ny Brigade de la Gendarmerie Marolinta ary mbola an-dalam-pamotorana ny raharaha araka ny lalàna manan-kery. Tratra niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ihany koa ireo sokatra lehibe mbola velona miisa 57 sy kitozan-tsokatra miisa 7 gony, tombanana ho « carapaces » 200 avy amin'ny sokatra novonoina.
Mitohy ny fiarovana ny biby
Ankoatra io tao Jedava io dia nahatrarana lehilahy iray ihany koa tao Lavavolo, Kaominina Itampolo, faritra Atsimo Andrefana. Nitondra « carapce » sokatra 4 sy henan-tsokatra 4 kilao ihany koa izy. Izany dia mbola avy amin’ny vaovao avy amin’ireo mponina. Andraikitry ny olon-drehetra ny fiarovana ireto harena voajanahary ireto. Ny sokatra moa izay biby arovana ary any amin’ny faritra atsimo iny no tena ahitana azy betsaka raha eto Madagasikara. Nampatsiahy ny Lehiben'ny Faritra Androy, Dr Djiby Firavoa, ny tokony hampiharana ny lalàna sy hiarovana ny harena voajanahary, indrindra ireo sokatra, izay isan'ny biby arovana eto Madagasikara.
Ankoatra ireo olona efa tratra ireo mantsy dia voalaza fa mbola misy olona hafa naman'ireo voasambotra manangona sokatra any atsimon'i Malaitsatroke, toerana famerenana ireo sokatra any amin’ny toeram-ponenany. Mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fanamarinana izany, tanterahin’ireo manam-pahefana.




