Ady amin'ny kolikoly : navaozina ny boky mirakitra ny fitsipi-pitondran-tenan'ny Zandarimariam-pirenena
Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy, omaly 22 jolay 2026, ny boky kely mirakitra ny fitsipi-pitondran-tenan'ny zandary, izay vao navaozina. Tafiditra ao anatin'ny fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Birao Mahaleo tena Miady amin'ny Kolikoly (BIANCO) izany.
Fisorohana sy ady amin'ny kolikoly
Tao amin'ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy, Betongolo, no nanaovana sonia ny fifanarahana vaovao mifehy ny fiaraha-miasan'ny Zandarimariam-pirenena sy ny BIANCO. Fanavaozana ny fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny taona maro izy io, ka mikendry ny hanamafy ny ezaka iarahana amin'ny fisorohana sy ny ady amin'ny kolikoly.
Nanararaotra io fotoana io ihany koa ny minisitera Delege misahana ny Zandarimaria nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ny Politika Anatiny Hiadiana amin'ny Kolikoly (PILCC), izay natao handrindra ny hetsika fisorohana sy famoretana ny kolikoly eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Nampahafantarina tamin'izany ihany koa ny boky kely vaovao mirakitra ny fitsipi-pitondran-tenan'ny zandary eo am-panatanterahana ny asany sy eo amin'ny fiainana andavanandro. Nanolotra tamin'ny fomba ofisialy ireo boky roa ireo tamin'ny tale jeneralin'ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny jeneraly Marima Bama, minisitra delege misahana ny Zandarimaria.
Fanamafisana ny fitokisan'ny olom-pirenena ny Zandary
Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny tale jeneralin'ny BIANCO fa fitaovana enti-mandrindra ny fisorohana, ny fitiliana ary ny famoretana ny kolikoly, ny politika anatiny vaovaon'ny Zandarimariam-pirenena. Nomarihiny fa miankina amin'ny fandraisan'andraikitry ny mpisehatra rehetra ny fahombiazan'izany.
Ho an'ny minisitra delege misahana ny Zandarimaria kosa, dia maneho ny fahavononan'ny departemanta tantanany amin'ny fampanjakana ny fahitsiana, ny mangarahara, ny tamberin'andraikitra ary ny fanehoana ohatra tsara, izao dingana vita izao. Izany no natao dia mba hanamafisana ny fitokisan'ny olom-pirenena ny Zandarimariam-pirenena.




