Zon'olombelona : Miantso ny mba hankatoavana haingana ny lalàna hiarovana ireo mpiaro ny rariny ny firaisamonim-pirenena
Miantso ny Governemanta sy ny Parlemanta ny firaisamonimpirenena sy ireo vondrona tanora, mba hanafaingana ny fankatoavana ireo volavolan-dalàna mifototra amin'ny fisitrahana ny zon'olombelona. Nasongadin'izy ireo indrindra ny maha-maika ny lalàna hiarovana ny mpiaro ny zon'olombelona, manoloana ireo tranga fankana an-keriny, fanjavonana ary famonoana ankizy, tanora ary olon-dehibe miseho eto Madagasikara.
Fampanjakana ny tany tan-dalàna
Araka ny fanambarana navoakan’ny ny firaisamonimpirenena sy ireo vondrona tanora, omaly 23 jolay 2026, dia ilaina ny fametrahana lalàna hiaro ireo mpiaro ny zon'olombelona, mba hananana rafitra mazava sy azo ampiharina. Tanjona amin'izany ny hiantohana fanadihadiana lalina amin'ireo raharaha lehibe, ka tsy hijanona amin'ny fisamborana ireo mpanatanteraka fotsiny, fa hitady ihany koa ireo mety ho mpanome baiko.
Ankoatra izany, naverin'ireo fikambanana nanao sonia ity fanambarana ity ihany koa fa tokony hodinihina sy hankatoavina ihany koa ny lalàna momba ny fahazoana misitraka vaovao ho an'ny daholobe (LAICP) sy ny lalàna hiarovana ny mpampaneno lakolosy. Araka ny fanazavany, ireo lalàna telo ireo no fototra hanamafisana ny mangarahara, ny ady amin'ny kolikoly ary ny fampanjakana ny tany tan-dalàna.
Mila finiavana politika
Notsipihin'ny firaisamonimpirenena fa efa 19 taona izao no niandrasana ny lalàna momba ny fahazoana misitraka vaovao ho an'ny daholobe. Na dia efa tafiditra eny anivon'ny Antenimierampirenena aza ny volavolan-dalàna, dia mbola mikatso ny fandinihana izany, nandritra ny asam-baomiera.
Hiroso amin’ny fivoriana ara-potoana indray ny Parlemanta amin'ny volana ôktobra ho avy io. Manentana ny Governemanta sy ny Parlemanta, noho izany, ny vondron’ny tanora sy ny firaisamonimpirenena, mba hampiseho finiavana politika amin'ny fankatoavana ireo lalàna ireo, izay heveriny ho antoky ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena sy ny fanamafisana ny haitondra tsara tantana eto Madagasikara.




