• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fiarahamiasa CENI - BIANCO : Ho amin'ny zotram-pifidianana mangarahara sy tsy misy kolikoly

23/07/2026 15:26 © Moov

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) sy ny Birao Mahaleo Tena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO), androany, 23 jolay. Tokana ny tanjona dia ny fifidianana mangarahara sy tsy misy kolikoly.

Fifidianana azo antoka sy eken’ny vahoaka

Vao miresaka CENI dia ny fifidianana azo antoka no andrasan’ny vahoaka Malagasy. Mba hahafahana manatanteraka izany dia natao sonia ity fiaraha-miasany tamin’ny BIANCO ity. Mitovy rahateo ny tanjona satria ity farany ity no rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Hifanampy araka izany ny roa tonta mba hahatrarana ny tanjona, dia ny fifidianana madio, tsy misy kolikoly. Ny Filohan’ny CENI, Andriamatoa Rakotonarivo Thierry sy ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no nanatanteraka ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa.
Samy nanamarika izy ireo fa zava-dehibe ity dingana ity mba hiantohana zotram-pifidianana mangarahahara sy eken’ny rehetra.

Miainga amin’ny fanavaozana ny lisitra hatramin’ny voka-pifidianana

Mba hahafahana manatratra izany tanjona izany dia jerena avokoa ny fomba hiadiana amin’ny kolikoly, manomboka amin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny fivoahan’ny voka-pifidianana. Nanambara ny Filohan’ny CENI fa amam-polony ireo fandikan-dalàna, mifandray amin’ny resaka kolikoly, ao anatin’ny zotram-pifidianana. Isan’izany ny fisoratana anarana anaty lisitra amin’ny fomba tsy ara-dalàna, toy ny fiverenana indroa. Isan’ny voatonona ihany koa ny fividianana mpifidy amin’ny fomba maro samihafa. Efa nisy nigadra mahakasika ny kolikoly ara-pifidianana amin’ny fizarana vola, akanjo sy koveta rehefa amin’ny fampielezan-kevitra ; na koa ny fampiasana fitaovam-panjakana, hoy ity Filoha ity hatrany. Mbola vitsy anefa no mahasahy mitoroka ireny, ka nanentanany ny rehetra izany.
Etsy ankilany dia nanamafy ny avy ao amin’ny BIANCO fa hiantomboka amin’ny fanabeazana ny asa hiarahan’ny roa tonta ary hitohy amin’ny fametrahana ireo fepetra fisorohana rehetra. Nohamafisinytao anatin’izany fa tsy hifantoka amin’ny fampiharana lalàna irery, ity ady amin’ny kolikoly ity. Andalam-pamolavolana kosa ny drafitrasa entina manatnteraka izany, rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires