• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ouest-France
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra manampy hahavitana tsara ny asa rehefa reraka

10/04/2026 15:48 © Moov.Mg

Efa anisan’ny fiainan’ny olona maro isan’andro ny havizanana. Mety izany ho avy amin’ny tsy fahampiana torimaso, adin-tsaina, asa be loatra na olana manokana. Na eo aza nefa ny harerahana dia tsy azo ajanona ny asa. Ahoana àry ny atao mba ahafahana miasa tsara na dia reraka aza ? Ireto manaraka ireto misy torohevitra tsotra azo ampiharina.

Ny asa tena ilaina no atao laharam-pahamehana

Rehefa reraka isika dia mihena ny fahaizana mifantoka. Noho izany dia ilaina ny mifantoka manokana amin’ireo asa tena manan-danja indrindra. Fantarina izay asa laharam-pahamena amin’ny tontolo andro ka ireo aloha no atao. Tsy ilaina ny manenjika ny zavatra rehetra, indrindra rehefa reraka, fa aleo manatanteraka asa vitsy nefa vita tsara.

Zaraina ho dinga kely ny asa

Rehefa be loatra ny asa dia mety hahakivy ny hanatanteraka azy ireo raha reraka. Fomba iray manampy sy mandaitra hahafahana manao tsara ny asa na dia vizaka aza ny fizarana azy ireo ho ampahany madinika sy mora tanterahina. Rehefa manaraka io fomba fiasa io dia hahatsa fa mandroso tsikelikely ny asa atao ka hitombo kokoa ny fahavononana sy ny faharisihana.

Maka aina matetika

Tsy mahomby ny miasa tsy misy fiatoana rehefa reraka. Mila miala sasatra ny atidoha. Tsara arak’izany raha aina kely matetika (5 ka hatramin’ny 10 minitra), miala amin’ny toerana iasana, mandehandeha kely, na manakimpy maso vetivety. Manampy hiverina hifantoka indray ny fanaovana izany.

Araraotina ireo fotoana mbola mampazava tsara ny saina

Na dia reraka aza isika dia misy fotoana ao anatin’ny andro mbola somary mazava kokoa ny saina. Amin’ireny fotoana ireny no tsara hanaovana ireo asa sarotra. Rehefa tena ambany kosa ny heriny dia aleo ireo asa tsotra na miverimberina no atao. Ny fahaizana manararaotra ireo fotoana mbola mampazava tsara ny saina ireo no ahafahana mahavita asa tsara na dia reraka aza.

Halavirina ny zavatra manakorontana

Rehefa reraka isika dia lasa mora voasariky ny zavatra manelingelina toy ny finday, tambajotra sosialy, na resaka tsy ilaina. Mila miezaka mamorona tontolo milamina hiasana, ary mandamina fotoana hifantohana tsara.

Misotro rano sy misakafo araka ny tokony ho izy

Ny tsy fahampian-drano sy sakafo ara-dalàna dia mampitombo ny havizanana. Ilaina ny misotro rano ampy ary sakafo maivana nefa manankery (voankazo, voanjo, proteinina) no hoanina. Tsy mety ny miankin-doha amin’ny siramamy be loatra na kafe be loatra satria mety hampidina tampoka ny hery izany.

Miomana mialoha

Farany, tsara kokoa ny misoroka toy izay mitsabo. Ny torimaso ampy, ny fandaminana tsara ny saina sy ny andavanandrom-piainana, ary ny fakàna aina dia manampy hisorohana ny havizanana tafahoatra. Ny fahombiazana amin’ny asa dia miankina betsaka amin’izay ataontsika ivelan’ny asa ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires