Aretina mpiseho rehefa ririnina: fomba hisorohana ny fiparitahany ao an-tsekoly
Matetika ny ririnina dia mitondra sery, gripa ary otrik’aretina avy amin’ny viriosy samihafa. Ny sekoly moa dia isan’ireo toerana mora hiparitahan’ireo aretina ireo. Ny ankizy mantsy dia tia mifampitakosona ary matetika mifampizara kilalao, fitaovana, na sakafo… ka mora mifindra ny mikraoba. Ireto manaraka ireto àry misy fomba tsotra azo atao hamerana ny fiparitahan’ny aretina mpiseho rehefa ririnina ao an-tsekoly.
Hamafisana ny fahadiovan’ny tanana
Ny fanasana tanana no isan’ny fomba mahomby indrindra hiarovana amin’ny ankamaroan’ny aretina avy amin’ny viriosy mpiseho rehefa ririnina. Mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina ao an-tsekoly àry dia tokony ampianarina ny ankizy hanasa tanana rehefa :
-Aloha sy aorian’ny sakafo,
-Avy any amin’ny trano fidiovana,
-Avy nilalao teny ivelany,
-Avy nievina na nikohaka.
Tsara raha mametraka savony sy « gel hydroalcoolique » eny amin’ny toerana voatokana hanadiovana tanana ny sekoly. Ny ankizy madinika dia ampianarina sy zarina manasa tanana amin’ny fomba mahafinaritra mba hampazoto azy ireny.
Sokafana ny varavarankely mba hifamezivezy ny rivotra
Ny viriosin’ny sery sy gripa ary ny ankamaroan’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia mora miparitaka ao amin’ny efitrano mihiboka. Rehefa ririnina nefa dia zatra manidy varavarana sy varavarankely isika mba hiarovana amin’ny hatsiaka. Mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina ao an-tsekoly nefa dia ilaina ny manokatra ny varavarankely mba hifamezivezen’ny rivotra. Tsy voatery atao misokatra ela be akory izany fa sokafana mandritra ny 5 na 10 minitra isan’ora dia ampy hampihena ny viriosy ao anaty rivotra.
Amporisihana ny fanajana ny fepetra fiarovana
Na dia sarotra aza ny mampihatra izany amin’ny ankizy madinika, dia zava-dehibe ny fepetra fiarovana :
-Takonana amin’ny sandry ny orona sy ny vava rehefa mikohaka na mievina,
-Mampiasa « mouchoir à jeter » rehefa voan’ny sery ary ariana any amin’ny fitoeram-pako rehefa avy nampiasaina,
-Tsy mifanakaiky be sy maharitra loatra arak’izay azo atao.
Diovina tsara sy matetika ny zavatra iombonana
Ny zavatra iombonana, toy ny latabatra, varavarana, kilalao, ary ny fitaovana iombonana ao an-dakilasy dia mety ho loharanon’ny aretina. Rehefa mikasika azy ireny mantsy ny ankizy marary dia mety hamela mikraoba na viriosy eo amin’izy ireny ary hamindra izany amin’ny ankizy salama. Noho izany dia mila diovina matetika amin’ny « désinfectants » ireny zavatra iombonana ireny mba hampihena ny « risques » hiparitahan’ny aretina ao an-tsekoly.
Mampahafantatra ny ankizy sy ny ray aman-dreny
Mila ampahafantarina ny ray aman-dreny sy ny ankizy ny mikasika ny soritr’aretina sy ny maha-zava-dehibe ny fijanonana ao an-trano rehefa marary. Mampihena ny fiparitahan’ny aretina toy ny kohaka, sery, gripa… ao an-tsekoly, indrindra any amin’ireny « crèches » ireny ny fanajana izany fepetra izany.



