Te hiova « carrière » amin’ny asa : ahoana ny fomba anombohana azy ?
Maniry ny hiova hiasa na « carrière professionnelle » ve ianao ? Mety hoe efa te hanao zavatra hafa, te hivelona amin’ny asa tiana, te hanana « opportunité » vaovao… Fanapahan-kevitra lehibe ny fanovana asa… ary matetika mampanahy ihany koa. Ny vaovao tsara nefa dia misy dingana mazava sy azo tanterahina hanampy anao handroso am-piheverana. Ireto àry no tokony hanombohana azy raha te hiova « carrière ».
Dingana voalohany raha te hiova « carrière » : fantaro tsara ny tenanao
Alohan’ny zava-drehetra, makà fotoana hijerena ny tenanao. Inona no tsy mahafa-po anao amin’ny asa ataonao amin’izao fotoana izao? Ary inona kosa no tena manentana anao?
Fanontaniana azonao apetraka amin’ny tenanao ny hoe :
-Inona avy ny fahaiza-manaoko (ara-teknika sy ara-pifandraisana)?
-Inona ireo asa mandrisika sy mampientanentana ahy?
-Inona ireo « valeurs » tiako (filaminana, famoronana, fahaleovantena…)?
Afaka manampy betsaka ny fanaovana “bilan de compétences” mba hiaingana amin’ny fieritreretana izay zavatra kasaina atao amin’ny ho avy.
Mikaroka safidy mety
Rehefa mazava kokoa ny momba anao, dia sokafy amin’ny safidy maro ny sainao. Manaova fikarohana momba ireo asa mety hifanaraka amin’ny fanirianao. Anisan’ireo fomba azo atao hanatanterahana izany ny :
-Famakiana ireo famaritana asa (fiches métiers),
-Firesahana amin’ny olona efa ao amin’ilay sehatra,
-Fanandramana amin’ny alalan’ny “stage”, asa tsy miankina (freelance) na asa an-tsitrapo.
Ny tanjona dia ny hampifandray ny eritreritrao amin’ny tena zava-misy eny an-kianja.
Diniho ny fahafahana manatanteraka ny tetikasanao
Tsy azo atao tampotampoka ny fanovana asa. Zava-dehibe ny mandinika mialoha ny fahafahana manatanteraka izany:
-Inona ny fiofanana ilaina?
-Hafiriana no hahavitana izany?
-Inona ny fiantraikany ara-bola (fihenan’ny vola miditra, saram-piofanana)?
-Misy ve ny fahafahana miasa amin’io sehatra io?
Tsara raha efa voadinika mialoha ny sakana mety hitranga amin’ny tetikasa kasaina atao alohan’ny hanombohana izany.
Mianara sy manofana tena (raha ilaina)
Indraindray, mitaky fahaiza-manao vaovao ny fanovana asa. Soa ihany fa maro ankehitriny ny karazana fiofanana azo isafidianana. Anisan’ny azo atao ohatra ny :
-Fiofanana an-tserasera,
-Kilasy amin’ny hariva,
-Fiofanana manome taratasy fanamarinana na diplaoma,
-Fianarana eny am-panaovana asa.
Safidio izay mifanaraka amin’ny fotoanao sy ny toe-java-misy.
Ampiasao ny tambajotranao
Zava-dehibe ny tambajotra rehefa miova asa. Zarao amin’ny hafa ny tetikasanao: mpiara-miasa, namana, olona efa nifankahalala taminao…
Antony:
-Hahazoana torohevitra,
-Hahitana « opportunités »,
-Hananana « visibilité » ao amin’ny sehatra vaovao idirana.
Aza misalasala mampiasa tambajotra matihanina mba hanitarana ny fifandraisanao.
Raiso ny fanapahan-kevitra ary tanteraho ny fikasanao
Rehefa tonga ny fotoana dia mila sahy mandray andraikitra ianao: mandefa fangatahana asa, manomboka asa vaovao, na manangana tetikasa…
Tsarovy fa dingana mitohy ny fanovana asa fa tsy fitsambikinana tampoka. Ny dingana tsirairay dia manan-danja avokoa.




