• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahazarana mandany ny fotoana nefa tsy tsikaritra

30/03/2026 14:42 © Moov.Mg

Matetika isika rehefa mifarana ny tontolo andro dia mahatsapa hoe reraka sy be atao… nefa tsy tena fantatra izay tena vita. Ny marina dia misy fahazarana tsotra sy tsikaritra nefa tena mandany fotoana betsaka. Ny tena olana àry moa dia lasa ampahany amin’ny fiainantsika andavanandro izy ireny. Mba hisorohana ny fandaniana fotoana fahatany àary dia andeha ho fantarina ireo fahazarana voalaza ireo sy ny vahaolana azo atao.

Fahazarana mandany fotoana : mijery finday matetika loatra

Ny fijerena finday matetika loatra dia isan’ireo fahazarana mandany fotoana nefa tsy tsikaritra. Mihevitra tokoa mantsy isika hoe « hijery kely fotsiny »… kanjo tampoka eo dia 20 minitra no lasa. Hafatra, fampahafantarana, tambajotra sosialy… misarika ny saina sy mampihena ny fifantohana foana izy ireny. Io fahatapahan’ny fifantohana io nefa dia mitarika fahaverezana fotoana betsaka noho izay eritreretina. Na miasa, mianatra, manao raharaha… dia ferana ny fikitikitihana finday raha mbola tsy vita ny atao.

Milaza « eny » amin’ny zavatra rehetra

Tsy voatery amin’ny asa irery ihany fa na amin’ny fiainana andavanandro aza dia fahazarana iray heverina ho tsotra nefa dia tena mandany fotoana tokoa ny filazana « eny » amin’ny zavatra rehetra. Rehefa manaiky ny fangatahana rehetra, na dia efa sahirana aza, dia lasa mameno ny fandaharam-potoanan’ny tena amin’ny zavatra tsy tena laharam-pahamehana. Vokany : lasa very ny fotoana tokony hatokana amin’ny tena zava-dehibe.

Manao zavatra maro indray mandeha (multitâche)

Fihevitra diso hananan’ny olona maro ny fieritreretana hoe mahavita zavatra betsaka kokoa rehefa manao zavatra maro indray mandeha. Ny marina nefa dia mifindrafindra asa fotsiny ny saina fa tsy voatery ho vita avokoa ireo zavatra eritreretina atao. Matetika dia lasa voasafosafo kely na natomboka kely fotsiny ireo asa rehetra dia tsy vita hatramin’ny farany na lasa vita kitoatoa. Lasa mihena ny kalitaon’ny asa ary mety vao maika mitombo ny fotoana ilaina hamitana azy.

Tsy mandamina mialoha ny tontolo andro

Ny manomboka andro tsy misy drafitra dia toy ny mandeha lavitra tsy misy tanjona. Lasa lany fotoana mieritreritra izay hatao, hany ka miparitaka ny saina ary mety ny asa na ny raharahara tsy dia ilaina na maika loatra indray no imasoana. Tsy voatery manao drafitra matipaika be akory fa mila fantarina fotsiny ireo zava-dehibe mila tanterahana ao anatin’ny tontolo andro sy ny laharam-pahamehana.

Mora voasaringotra amin’ny fanelingelenana

Resaka kely, horonan-tsary, na eritreritra tampoka… dia very indray ny fifantohana. Ireo zavatra madinika ireo, rehefa miverimberina, dia mety handany ora maro isan-kerinandro.

Ahoana no hahazoana mifehy indray ny fotoana?

Azo ovaina ireo fahazarana tsy tsikaritra nefa mandany fotoana ireo. Ireto misy dingana tsotra azo atao:
-Vonoina ireo fampahafantarana tsy ilaina amin’ny finday,
-Faritana mialoha ny asa 3 lehibe tokony atao ao anatin’ny tontolo andro,
-Mianatra mandà rehefa ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires