• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Bakalôrea : Efa manomboka ny fanomanana, ho fanadinana lavitry ny hosoka sy ny olana

20/02/2026 15:29 © Moov

Isan-taona dia saika misedra olana hatrany ny fanadinam-panjakana Bakalôrea. Hialana amin’izany dia efa manomboka ny fanomanana, io fanadinana io amin’izao, mba ho lavitr’izany hosoka sy olana izany.

Atrikasa fizaram-pahalalana

Saika hita isan-taona ny resaka fisoloana olona hafa, mandritra ny fotoam-panadinana, ny resaka fanaovana hosoka, sy ny famoahana taratasim-panadinana diso, haparitaka any anaty tambazotra. Izany rehetra izany no tian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony hialana, mba ho fanadinana milamina sy marina, no atrehin’ireo mpianatra, amin’ity 2026 ity.
Raha tsiahivina moa dia ny 20 hatramin’ny 24 jolay, izao, ny fanadinana bakalôrea amin’ny ankapobeny ary hitohy amin’ny teknika ny 27 hatramin’ny 30 jolay. Na dia mbola misy 5 volana aza anefa izany dia efa miomana ny minisitera. Hotanterahina ny herinandro ho avy izao, dia ny 23 sy 24 febroary ny atrikasa teknika lehibe, mikasika ny fanadinana bakalôrea, izay tanterahina ao Fianarantsoa. Mandritra izany no hifampizara fahalalana ireo mpahay informatika, ireo talen’ny fanadinana sy ireo talen’ny Office du Baccalauréat. Tanjon’izany ny mba hahafahan’ireo olona tsirairay avy ireo, mikirakira ny angon-drakitra sy ny « logiciel » ampiasaina, hahafahana misoroka ny olana. Natao indrindra, hiantohana ny kalitaon’ny fanadinana ihany koa io fotoana io, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambony, ny Pr Raherinirina Angelo. Etsy ankilany moa, raha ny fanazavana hatrany dia efa mivory isaky ny herinandro ihany koa ny Minisitera, hanomanana ity fanadinana ity.

Mbola mitohy ny fisoratana anarana

Etsy ankilan’izany dia mampatsiahy ny Minisitera fa mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ity fanadinana ity. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny 12 janoary teo izy io, ary hifarana ny 27 martsa, ho avy izao. Manoloana izany dia miantso ny fahamailoan’ny ray aman-dReny sy ny sekoly izy ireo. « Tsy hisy ny fandraisna taratasy manokana fanamarinana na “dérogation » aorian’io 27 martsa io ka antsoina ny rehetra hanatanteraka ny fisoratana anarana mialohan’ny fotoana », hoy hatrany ity Tale Jeneraly ity.
Raha tsiahivina, tanora maromaro no tsy afaka niatrika fanadinana bakalôrea ny taona lasa, tao Toamasina, noho ny tsy nisoratan’ny anaran’izy ireo tao anaty lisitra, noho ny fisolokiana. Araka izany, mbola minatso koa ny Minisitera, ny hanamarinana izany, eny anivon’ny sekoly sy ny Office du Baccalauréat, misy ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires