• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min Jus
Image
Vaovao

Toamasina : Miroso amin’ny fanarenana haingana ny fotodrafitrasan’ny fitsarana sy ny fonja

18/02/2026 15:04 © Moov

Isan’ny nahitana fahasimbana, vokatry ny rivodoza Gezani, ihany koa ireo fotodrafitrasam-pitsarana, toy ny fonja sy ny birao fitsarana, ao Toamasina. Hirosoana araka izany ny fanarenana azy ireo haingana, mba hampandehanana indray ny raharaham-pitsarana, ao an-toerana.

Fanohanana mivantana ho an’ny fitsarana sy ny fonja

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay namely mafy ny tanànan’i Toamasina, dia nisy fahasimbana goavana, nahazo ireo fotodrafitrasa ara-pitsarana sy ny tao amin’ny fonja Ambalatavoahangy. Manoloana izany, efa tonga tany an-toerana ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, mba hijery ifotony ny toe-draharaha sy nandray fepetra avy hatrany. Fepetra maika no noraisina tamin’izany, fandalovany izany.
Tonga omaly, hariva, araka izany, ireo fanampiana ara-pitaovana, natao manokana ho an’ireo rafitra mila fanarenana maika. Ireo solontenan’ny Ministeran’ny Fitsarana nalefa tany an-toerana, no nitondra ireo, fitaovana samihafa ilaina, ireo, izay natao hanamboarana sy hanatsarana ireo trano simba, ho fanomanana ny fiverenan’ny asa ara-dalàna.

Fitohizan’ny asam-panjakana sy fiarovana ny filaminana

Araka ny fanazavan’ny Minisitra nandritra ny fitsidihany dia zava-dehibe ny famerenana haingana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao anatin’ireo fonja sy fitsarana. Zava-dehibe, ihany koa ny fahafahan’ny raharaham-pitsarana miverina amin’ny laoniny. Efa tonga ao Toamasina ny vondrona mpihary herinaratra 50 KVA iray, ahafahan’ny Fampanoavana, manohy avy hatrany ny asany andavanandro sy miantoka ny fitohizan’ny tolotra ho an’ny vahoaka.
Ankoatra izany, efa tonga any an-toerana ihany koa ireo fanitso 3 metatra miisa 120, fanitso 4 metatra miisa 20, "panne" miisa 80 ho an’ny fametrahana tafo, "lampadaire" miisa 37, ary fanafody . Ireo fitaovana ireo dia natao hanarenana ireo fotodrafitrasa simba sy hitsinjovana ny maha-olona ho an’ireo voakasika ; indrindra ireo voanfonja.
Na dia eo aza ny fahasoratana nateraky ny loza voajanahary dia tanjon’ny Minisiteran’ny fitsarana ny hampisitraka indray ny tolotra ara-pitsarana, haingana ny mponin’i Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires