Ady amin’ny halatra sy hosoka : Mbola mitohy ny fanarahamaso ireo kaonteran-jiro eto Antananarivo
Manamafy hatrany ny ady amin’ny halatra sy hosoka amin’ny fampiasana herinaratra, ny orinasa JIRAMA. Tao anatin’ny dimy andro izay no nanatanterahan’ny ekipan’ny « task force » fitsidihana teny amin'ireo faritra be mpanjifa indrindra eto Antananarivo, kaontera maherin’ny 610 no nojerena.
Halatra sy fanasaziana
Ao anatin’ny paikady hampihenana ny fatiantoka, indrindra ara-bola, no nanatanterahana ity hetsika « ratissage » ny JIRAMA ity, izay nifantoka teny amin’ireo toerana be mpampiasa. Naneho mazava ny halehiben’ny olana ny vokatra azo. Kaontera 118 no nahitana tsy fahatomombanana teo amin’ny tanjaky ny herinaratra ampiasaina raha oharina amin’ny fifanarahana nifanaovana, ka tsy maintsy hanaovana fanitsiana eny anivon’ny Masoivoho.
Ankoatra izany, kaontera 27 no voamarina, taorian’ny fitsirihana teny amin’ny « laboratoire », fa nisy hosoka. Niteraka fandoavana ny sandan’ny fanjifana tsy voaloa izany, ary nosoloina avy hatrany ireo kaontera. Tranga hafa ihany koa no hita tamin’ny kaontera 5, izay tratra nanao fisarihana herinaratra mivantana, ary kaontera 3 kosa nanao fisarihana herinaratra mialohan’ny kaontera. Noesorina avy hatrany ireo taribin-jiro mitarika herinaratra mialohan'ny kaontera ary tsy maintsy ho hefain'ny mpanjifa ny vidin'ny herinaratra izay nagalariny.
Fiarovana ny mpanjifa
Manamafy ny JIRAMA fa hitohy manerana an’Antananarivo mandritra ny telo volana ny hetsika fitsirihana. Tsiahivina fa ireo mpiasan’ny JIRAMA manao fanaraha-maso ifotony dia tsy maintsy mitondra « badge » maha mpiasa azy, « ordre de mission » mazava ary kara-panondrom-pirenena. Tsy misy vola tokony haloan’ny mpanjifa amin’ny teknisiana eny an-toerana, fa eny amin’ny Masoivohon’ny JIRAMA ihany no anaovana fandoavam-bola.
Raha tsiahivina dia miteraka fatiantoka mihoatra ny 100 lavitrisa Ariary isan-taona ho an’ny JIRAMA ny halatra sy hosoka. Natao hiarovana ny mpanjifa, ihany koa ny hetsika, araka izany satria mampihena ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra sy rano, ary manakana ny fidiran’ny mpanjifa vaovao, ireo fihetsika ireo. Miantso hatrany, ny orinasa Jirama, ny Antso hiverenan’ny tsy ara-dalana amin’ny ara-dalàna sy hisorohana ny sazy.




