• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Traboina ao Toamasina : « Sakafo sy fitaovana no zaraina fa tsy vola », hoy ny BNGRC

20/02/2026 11:56 © Moov

Niteraka korontana tao amin’ny tanànan’i Toamasina ny resaka manodidina ny fizarana ireo fanampiana. Nitondra fanazavana, mikasika izany indrindra ny avy ao amin’ny Birao Nasionaly fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC).

Manaraka dingana ny fizarana

Nisy tamin’ireo olona amin’ny fokontany sasantsany no nilaza fa navelan’ny fitondrana, izy ireo satria tsy mbola nisitraka fanampiana. Manoloana izany dia nanazava ny avy ao amin’ny BNGRC fa manaraka rafitra sy dingana samihafa ny fisitrahana izany. Amin’izao fotoana izao moa raha ny tatitra dia tokantrano miisa 40.739 ao Toamasina I sy Toamasina II no efa nisitraka mivantana ny fanampiana ara-tsôsialy. Mbola mitohy hatrany anefa ny fizarana.
Nanamarika kosa ny avy ao amin’ny BNGRC, fa tsy mizara vola velively izy ireo fa fanampiana amin’ny endriny mivantana toy ny fampitaovana, no hanatanterahana azy. Isan’ny laharam-pahamehana, hoy hatrany ny fanazavana, ny sakafo sy ny rano fisotro madio, izay efa manomboka misitraka izany, tsikelikely ny mponina ao an-toerana.

Mila hampahafantarina ireo hetsika ivelan’ny BNGRC

Ny fotoan-tsarotra toy izao, no ahitana ny firaisan-kinan’ny samy Malagasy. Efa betsaka ireo fikambanana samihafa, samy manatanteraka hetsika fanampiana ireo traboina. Manoloana izany dia miantso ny rehetra izay mikasa hanatanteraka izany ny avy ao amin’ny BNGRC fa tokony hampahafantarina sy hampandrenesina hatrany izy ireo. « Tsy manakana ny fanampiana rehetra tiana hatao, izahay saingy tsy maintsy misy ny fandaminana ary mety hiteraka olana samihafa ny tsy fahafantarana ny zava-misy eny an-kianja », hoy ny Tale Jeneraly Lefitry ny BNGRC. Izany rehetra izany, hoy ny fanazavana no hahafahana mandrindra ny asa isam-pokontany sy ny toerana izay misy ireo traboina
Marihina fa efa maro ireo fikambanana iraisam-pirenena nanolotra tohana samihafa. Nanazava ny avy ao amin’ny BNGRC, fa tsy voatery ho vola izany fa mety ho olona na sakafo na fitaovana. « Mety ho tetikasa ihany koa izany saingy tokana ihany ny tanjona dia ny fanohanana ireo mpiray tanindrazana traboina », hoy hatrany ny fanazavana.
Amin’izao fotoana izao, kosa, hoy hatrany ny BNGRC dia mbola tsy misy vola tonga ao amin’ny kitapom-bolan’izy ireo fa mbola misy ny dingana samihafa, hahatogavana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires