• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Fisorohana loza an-dranomasina : Hitarina amin’ny tanàna 23 manodidina ny Nosy Hara ny rafitra MITAO Forecast

20/02/2026 16:18 © Moov

Manoloana ny fitombon’ny loza an-dranomasina, vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro any amin’ny faritra Diana dia hitarina amin’ny tanàna 23, manodidina ny faritra arovana an-dranomasina Nosy Hara, ny rafitra fanairana mialoha « MITAO Forecast ». Tsy ireo mpampiasa ranomasina irery no hisitraka izany fa eo ihany koa ireo mponina amorontsiraka.

Rafitra hiaro ain’olona ao Antsiranana

Mihamafy isan-taona ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny faritra amorontsiraka, ka isan’ny tena iharan’izany ny mponina miankina amin’ny ranomasina. Rivodoza, tondra-drano ary rivotra mahery toy ny Varatraza no mampidi-doza ny fivezivezen’ny mpanjono sy ny asa fivelomany. Tao anatin’izany indrindra no nametrahana ny rafitra MITAO Forecast tamin’ny volana aogositra 2023, tamin’ny tanàna 10 tao amin’ny helodranon’i Ambaro, ka nahitana vokatra tsara teo amin’ny fisorohana loza sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mialoha.
Noho ireo vokatra azo ireo, dia tapaka ny hanitarana ny rafitra amin’ny tanàna 23 manodidina an’i Nosy Hara. Izany dia mba hahafahan’ny vondrom-piarahamonina maro kokoa, mahazo vaovao ara-potoana sy azo itokisana momba ny toetry ny andro an-dranomasina.

Olona maherin’ny 5000 no hahazo tombony

Vao haingana no nanatanterahana ny atrikasa fanombohana ofisialy ny fampandehanana io rafitra io. Asa izay niarahana tamin’ny WWF Madagascar sy Aquatic Service. Tokantrano manodidina ny 1 300, izany hoe olona eo amin’ny 5 200, avy amin’ny kaominina Andranofanjava, Andranovondronina, Mahalina ary Mangaoko no hisitraka mivantana ny tetikasa.
Nandritra ny atrikasa dia nazavaina ny fomba fiasan’ny rafitra MITAO Forecast, nodinihina ny faharefoana eo an-toerana, ary nifampidinihana ny laharam-pahamehana amin’ny tatao atrehin’ny mponina. Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana rafitra famatsiam-bola maharitra hiantohana ny faharetan’ny tetikasa. Ankoatra ny fiarovana ain’olona mantsy dia mikendry ny hiaro ny rohivoahary an-dranomasina sady hanamafy ny fahaizan’ny vondrom-piarahamonina miatrika ny fiovan’ny toetrandro, ihany koa ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires