• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Irishmirror
Image
Fahasalamana&Sakafo

"Jeans" tery loatra : Tsy mahasalama ny vatana sy ny saina

30/01/2026 07:53 © Moov

Lamaody tsy mety ilaozan'ny toetr'andro ny "Jeans". Samy voasarik'io karazan-damba io ny sokajin-taona rehetra, indrindra ny tanora. Tsy mahasoa kosa nefa ny "Jeans" raha tery loatra.

Lamba mafy sy tsy mety mihitatra ny "Jeans". Izany indrindra no tokony hahafantarana tsara ny "taille" mialoha ny hividianana azy. Mbola azo tazomina amin'ny "ceinture" ilay pataloha raha malalaka, saingy mety hankarary kosa raha tery loatra nefa mbola terena hiditra.

Vokadratsin'ny Jeans tery loatra

Raha pataloha "Jeans" tery loatra, ny kibo no lasibatra voalohany. Tery mafy ny kibo ka misy ny antsoina hoe "reflux gastrique", izany hoe misy asidra avy ao amin'ny kibo miakatra any amin'ny lalan-kanina. Mety tsy handoha na halemilemy raha efa zatra ilay akanjo tery, saingy misy fiantraikany ratsy amin'ny vavony sy ny tsinay izany. Tery ihany koa ny lalandrà ka miady mafy ny vatana. Mety ho reraka tampoka, fanina sy halain-komana ihany koa. Tsy adino ny fiantraikan'izany ara-tsaina, indrinra ny fahasosorana ( nervosité )sy ny fanahiana be (anxiété). Rehefa tsy metimety mantsy ny vatana, marefo hoazy ny ara-tsaina.

Inona àry no tokony anaovana ?

Mety mampivoaka tsara ny endrika amam-bika tokoa ny akanjo tery : ny pataloha "jeans" moa dia fanafenana kibo mihitsy. Mba ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina, tsara raha "jeans" mifanaraka amin'ny haben'ny tena no anaovana : tsy anaovana intsony ilay pataloha raha terena vao tafiditra ny fe sy ny fitombenana, na sintomina mafy vao mihidy ny "braguette".

Lire la suite

Articles Similaires