• Cours de change
  • 5212.01 AR
  • |
  • $4509.63 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mainty hoditra na zarazara : ilaina ve ny manao « écran solaire » ?

23/01/2026 11:02 © Moov.Mg

Mbola maro no mieritreritra fa tsy mila fiarovana amin’ny masoandro ny olona mainty hoditra na zarazara. Fihevitra diso ihany nefa izany. Na dia manana fiarovana ara-boajanahary aza ny hoditra mainty dia tsy midika izany fa voaaro tanteraka amin’ny vokadratsin’ny taratra avy amin’ny masoandro izy. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny mety ho vokadratsin’ny tsy fanaovana « écran solaire ».

Ny « mélanine » : miaro amin’ny ampahany ihany

Ny olona mainty hoditra sy zarazara dia misy « mélanine » betsaka kokoa raha mihoatra amin’ny olona fotsy hoditra. Ny « mélanine » no « pigment » matroka hita ao amin’ny volo sy ny volo. Manampy amin’ny fiarovana ny hoditra amin’ny taratry ny masoandro sy ny « rayons UV » izy io. Arak’ireo manampahaizana dia manakana hatramin’ny 70% ny « rayons UV » eo ho eo ny « mélanine ». Midika izany fa tsy mora main’ny masoandro ny hoditra mainty na zarazara. Tsy ampy amin’ny fiarovana amin’ny vokadratsin’ny taratry ny masoandro maharitra kosa nefa izany.

Nahoana no mila « écran solaire » ny olona mainty hoditra sy zarazara ?

Na dia tsy hita taratra be aza ny fahamaizana amin’ny masoandro eo amin’ny olona mainty hoditra na zarazara dia marihana fa miditra ao anaty hoditra ny taratra UV ka mety hiteraka :
-Fahanteran’ny hoditra aloha loatra. Manafaingana ny fisehon’ny ketrona, ny fahaverezana’ny « élasticité » ary ny fihenjanan’ny hoditra ny taratry ny masoandro ;
-Tasy mainty eo amin’ny hodi-tava. Mora hisehoan’ny tasy mainty ny hoditra mainty sy zarazara. Raha toa ka tsy mampiasa fiarovana amin’ny masoandro, toy ny « écran solaire », dia mety vao maika ho matroka ireo tasy efa misy, ho ela vao afaka izany na koa hisy tasy vaovao.
-Homamiadan’ny hoditra. Na dia tsy fahita firy amin’ny olona mainty hoditra na zarazara aza ny homamiadan’ny hoditra dia tsy midika izany fa tsy misy mihintsy ny « risque ». Matetika aza tara vao hita izy io ka vao mainka mampidi-doza.
-Fiharatsian’ny aretin-koditra sasany. Ny taratra UV dia mety hampihombo ny aretin-koditra toy ny « eczéma », « lupus »…

Oviana no mila manao « écran solaire » ?

Maro no mihevitra fa tsy mila manao « écran solaire » rehefa ririnina na rehefa maloka ny andro. Marihana nefa fa mila anaovana isan’andro mandavan-taona ny « écran solaire » mba hiarovana ny hoditra amin’ny vokadratsin’ny taratry ny masoandro.
Na dia tsy misy masoandro aza dia afaka mamakivaky ny rahona ny taratra UV. Arak’ireo vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia voalaza fa ny olona mahavatra manao « crème solaire » dia manana hodi-tava salama, malama sy tsy be tasy rehefa ela ny ela.

Lire la suite

Articles Similaires