• Cours de change
  • 5235.32 AR
  • |
  • $4489.44 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « yaourt grec »

26/01/2026 14:53 © Moov.Mg

Ny « yaourt grec » dia karazana « yaourt » matevina, malefaka ary be otrikaina kokoa noho ny « yaourt » tsotra. Maro ny vokatsoa azo avy amin’izy io noho izy be « protéine », « calcium », « magnésium », « phosphore », « probiotiques », vitamina B12 sy otrikaina maro samihafa. Ho an’ireo izay maniry hanamboatra « yaourt grec » vita ao an-trano dia atoro eto ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « yaourt grec »

Ronono matavy (lait entier) 1 litatra ;
Yaourt nature 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina ny ronono. Rehefa mahatratra hafanana eo ho eo amin’ny 80°C, izany hoe alohan’ny hangotraka, dia bataina ny afo ary avela hidina eo ho eo amin’ny 45°C ny hafanany. Io dingana io no hahafahana mahazo yaourt matevina kokoa.
Karakaraina ny « ferment ». Izany hoe afangaro amin’ny ronono kely matimaty ilay yaourt. Rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ao anatin’ilay vilany misy ronono nafanaina teo. Aroharoana moramora.
Tsinjaraina anatin’ny boaty fanaovana « yaourt maison ». Saromana tsara dia avela hipetraka amin’ny toerana mafana mandritra ny adiny 8 hatramin’ny 10 ora. Afaka mampiasa « yaourtière », koveta nofonosina gazety sy bodifotsy…
Rehefa tapitra io adiny 8 na 10 ora nipetrahan’ny « yaourts » io dia avela mangatsika ireto farany avy eo ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 4 ora fara fahakeliny.
Rehefa vita izay dia miditra amin’ny dingana hahazoana « yaourt grec ». Maka passoire, ary asiana lamba madio manify eo amboniny. Araraka eo ambonin’ilay lamba ireo « yaourts » mba hitsiaka ny « petit lait » na ilay rano kely fahita amin’ny « yaourt maison » iny. Apetraka anaty vata fampangatsiahana ka avela hitsika mandritra ny adiny 2 hatramin’ny adiny 4 ora.
Rehefa mitsika tsara dia vonona ny « yaourt grec ».

Lire la suite

Articles Similaires