• Cours de change
  • 5235.32 AR
  • |
  • $4489.44 AR
Copyright Image : © Sunstar Gum
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny ati-vava : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « gingivite »

26/01/2026 11:08 © Moov.Mg

Ny « gingivite » dia fivontosan’ny hihy (inflammation) mateti-pitranga ary matetika dia tsy dia atahorana loatra. Tsy azo atao tsirambina kosa nefa izy io. Raha tsy voaatsabo ity farany dia mety hihombo ho aretin’ny « parodonte » izay mety hitarika amin’ny fihongotan’ny nify. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo mety ho anton’ny « gingivite » sy ny vahaolana azo atao manoloana izany mba hitandrovana ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava.

Inona no atao hoe « gingivite » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia « inflammation » ny hihy ny « gingivite ». Matetika izany dia miseho amin’ny fisian’ny fivontosana, rà mandeha sy fivoara-mena eo amin’ny hihy, ohatra rehefa miborosy nify. Samihafa amin’ny « parodontite » izay mahatonga fahasimbana tanteraka eo amin’ireo « tissus » mitazona ny nify ny « gingivite », satria azo tsaboina tsara izy io raha voaray an-tanana ara-dalàna sy ara-potoana.

Ireo antony mety mahatonga ny « gingivite »

Ny antony lehibe mahatonga ny « gingivite » dia ny fiandronan’ny « plaque dentaire » eo amin’ny nify. Rehefa tsy afaky ny fiborosiana nify matetika io « plaque » io dia lasa mihamafy sy mivadika lasa « tartre » ka mampitombo ny « inflammation » ny hihy.
Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mandrisika ny fisian’ny « gingivite » :
-Tsy fikolokoloana tsara ny fahadiovan’ny ati-vava sy ny nify ;
-Ny fifohana sigara ;
-Ny fikorontanan’ny hormonina (fitondrana vohoka, taona fahamaotiana) ;
-Aretina sasany toy ny diabeta ;
-Fihinana fanafody mampihena ny famokarana rora ;
-Ny rarintsaina sy ny sakafo tsy voalanjalanja.

Ireo vahaolana sy fitsaboana azo atao

Aso tsaboina amin’ny alalan’ny fanatsara ny fikolokoloana ny fahadiovan’ny ati-vava sy ny nify ny « gingivite ». Anisan’ireo vahaolana tsara ampiharina ny :
-Fiborosiana nify indroa isan’andro fara fahakeliny ;
-Fampiasana « fil dentaire » na « brossettes interdentaires » hisorikarana ny elakelan’ny nify ;
-Fanaovana « détartrage » eny amin’ny mpitsabo nify ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana ;
-Fialana sigara ;
-Fizahana ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava any amin’ny mpitsabo nify indray mandeha isan-taona.

Lire la suite

Articles Similaires