« Lithiase biliaire » na vato ao amin’ny afero, ‘ndeha ho resahana !
Ny « lithiase biliaire », antsoina ihany koa hoe « calcul biliaire » dia aretina fahita izay mahavoa ny afero na « vésicule biliaire ». Matetika tsy ahitana soritr’aretina izy io, saingy indraindray dia mety hiteraka fanaintainana mafy sy fahasarotana ilaina fitsaboana. Zava-dehibe ny fahafantarana ny mikasika ny « lithiase biliaire » mba hahafana mitsabo azy ara-potoana.
Inona no atao hoe « lithiase biliaire » ?
Ny « vésicule biliaire » na afero dia taova kely hita eo ambanin’ny aty. Izy no mitahiry ny ranon’afero na « bile », izay ranoka manampy amin’ny fandevonan-kanina, indrindra ny tavy. Ny « lithiase biliaire » dia fiforonan’ny vato ao amin’ny afero na ao amin’ny lalan’ny ranon’afero. Ireo vato ireo dia vokatry ny « déséquilibre » ao amin’ny singa mandrafitra ny ranon’afero.
Ireo antony mety mahatonga ny vato ao amin’ny afero
Maro ireo antony mety mahatonga ny vato ao amin’ny afero na « lithiase biliaire », ka anisan’izany ny :
-Fihinanana sakafo be tavy sy menaka matetika ;
-Fitondrana vohoka izay mampikorontana ny hormonina ;
-Lanja be loatra na matavy be loatra ;
-Fihenana tampoka ;
-Tsy fahampian’ny fisotroana rano ;
-« Facteurs génétiques, izany hoe efa misy tratra ao anaty fianakaviana.
Avo kokoa ny « risques » hampisy « lithiase biliaire » eo amin’ny vehivavy sy ireo olona mihoatra ny 40 taona.
Inona avy ireo soritr’aretina ?
Araka ny voalaza teo ambony dia matetika tsy misy soritr’aretina ny « lithiase biliaire » ka hita tsy nahy rehefa manao fizahana ara-pahasalamana izy io. Raha toa ka misy fambara ity aretina ity dia ireto manaraka ireto ny soritr’aretina hitranga :
-Fanaintainana tampoka sy mafy eo ambanin’ny taolan-tehezana ankavanana ;
-Fanaintainana miparitaka mankany amin’ny soroka ankavanana na ny lamosina ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-« Ballonnements » rehefa avy mihinana sakafo be tavy.
Raha misy fahasarotana ny vato ao amin’ny afero, dia ireto manaraka ireto ny fambara mety ho hita :
-Mavo ny maso sy ny hoditra ;
-Mavo be ny pipy ;
-Fotsy na miloko matsatso ny maloto ;
-Mangidihidy manerana ny vatana ;
-Tazo ;
-Fanaintainana mafy sy maharitra.
Ireo soritr’aretina ireo dia ilaina fanantonana dokotera na toeram-pitsaboana malaky.
Inona ny fitsaboana ny « lithiase biliaire » ?
Tsy voatery mitovy avokoa ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ny olona misy vato ao amin’ny afero :
-Raha tsy mampiseho soritr’aretina izy io dia tsy mila fitsaboana manokana fa arahi-maso fotsiny ihany.
-Raha toa kosa ka miverimberina ny fanaintainana, misy aretina na fivontosana ao amin’ny afero na koa manakana ny lalan’ny ranon’afero ny vato dia mila fandidiana izy io.
-Mety misy tranga voafantina (vitsy dia vitsy) ampiasana fanafody manala ny vato.


