Fanondranana Letchi : Apetraka ny fitovian-jo ho an'ny mpandraharaha rehetra
Anisan'ny sehatra mampidi-bola ho an'i Madagasikara ny fanondranana Letchi. Amin'ity taona ity, apetraka ny fitovian-jon'ny mpandraharaha rehetra, ka tsy olom-bitsy intsony no tena hibahana ny fahazoana ny tsena iraisampirenena.
Voankazo mampiavaka an'i Madagasikara ny Letchi. Manana vokatra tsara sy betsaka tokoa isika, ka mamatsy tsena maro any ivelany. Nampitaraina mpandraharaha maro nefa ny fibahanan'olom-bitsy ny fanondranana. Hiova tanteraka izany amin'ity taom-panondranana ity.
Fampiroboroboana ny toekarena
Latsaka an-katerena ny firenena ankehitriny, ka anisan'ny hanome ainga vao indray ny sehatry ny toekarena ny fanondranana Letchi.
Androany sabotsy 25 oktobra, nisy fihaonana teo amin'ny Vondron’ny mpanondrana lodsia (GEL) eto Madagasikara izay notarihan’ny Filohany, Thierry Samtio sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisongadina tao anatin'ny fifanakalozana teny Mahazoarivo ny fametrahana fiaraha-miasa hentitra sy maharitra eo amin’ny fanjakana sy ny fandraharahana malagasy miasa amin’ny tontolon’ny fanondranana izany voankazo izany. Hatsaraina ny kalitaon'ny fanondranana, ka ho atao laharampahamehana ny fanamafisana ny filaminana mandritra ny taom-piotazana. Eo ihany koa ny fanamorana sy ny fanafainganana ny fikirakirana ny entana, mba tsy ho simba eny ambony sambo.
Fanomezana vahana ireo mpandraharaha
Teboka lehibe notsipihan'ny Praiminisitra ny hitsinjarana ara-drariny ny anjara vokatra lodsia aondran'ny mpandraharaha tsy ankanavaka, mba samy hisitraka izany avokoa ireo orinasa salantsalany sy ireo orinasa madinika. Tanjona mantsy ny fametrahana ny fitovian-jo amin’ny sehatry ny fanondranana. Miteraka fanomezana asa ho an'ny daholobe mantsy izany, ka azo antoka fa hanatsara ny fari-piainan'ny Malagasy.
Marihana fa eo anelanelan'ny 15 sy 20 novambra no hisokafan'ny taom-piotazana Letchi. 3 herinandro mahery kely eo araka izany dia ho afaka jifaina eny an-tsena ny Letchi, sady hanomboka rahateo ny fanondranana izany voankazo izany any ivelany.


