Fifidianana ifotony : Hametraka volavolan-dalàna mamaritra ny satan’ny Sefo Fokontany ny Solombavambahoaka
Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fifidianana izay ho Sefo Fokontany eto Antananarivo Renivohitra, raha ny nambaran’ny prefe, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo. Nilaza ny hanolotra volavolan-dalàna mahakasika izany ireo Solombavambahoaka, izay miatrika ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana izao.
Nahemotra ny fifidianana Sefo Fokontany
Nambaran’ny prefen’Antananarivo, omaly 22 oktobra 2025, fa ny alahady 26 oktobra izao no hanatanterahana ny fifidianana Sefo Fokontany, ho an’Antananarivo Renivohitra. Taorian’ny baiko nomen'ny Sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny Atitany anefa, araka ny fanazavan’ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, dia hahemotra ho amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra indray izany fifidianana izany.
Niteraka resa-be moa ity fanapahan-kevitra ity, izay nosokajian’ny maro ho fanapahan-kevitra tampotampoka, na anaty hamehana. Nilaza kosa ny prefen’Antananarivo fa efa niomana sy efa vonona ny amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny prefektiora sy ny sefo Distrika. Notsiahiviny ny voalaza ao amin’ny lalàna 2015-011 momba ny sata manokan'Antananarivo Renivohitra : raha vao misolo ny Ben’ny tanàna dia misolo ihany koa ny Sefo Fokontany, ka tokony ho efa fantatry ny rehetra izany, hoy izy.
Volavolan-dalàna momba ny satan’ny Sefo Fokontany
Isan’ireo tsy nankasitraka ny hanatanterahana ity fifidianana nokasaina hatao amin’ny alahady ho avy izao ity ihany koa ireo Solombavambahoaka, toa an’i O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Nambaran’ity farany fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny Prefen’Antananarivo. Nilaza ny hametraka volavolan-dalàna momba ny satan’ny Sefo Fokontany ireo Solombavambahoaka, mandritra izao fivoriana ara-potoana faharoa izao, satria tokony hazava tsara izany, mialoha ny fifidianana. Ho voafaritra ao anatin’izany, ohatra, ny fe-potoana hiasan’ny Sefo Fokontany sy ny karama horaisiny.
Ity satan’ny Sefo Fokontany ity ihany koa no hamaritra ny fombafomba hanatanterahana ny zotram-pifidianana eny anivon’ny Fokontany. Raha fehezina izany dia ezahan’ireo Solombavambahoaka atao ny haha-ara-dalàna ny fametrahana ny Sefo Fokontany eo amin’ny toerany, izay tsy nofidiana nandritra ny fotoana maro, fa napetraka. Takiana kosa ny hifidianan’ny mponina azy ireo, manomboka izao.