Fihetsiketsehana teto Antananarivo : Tafaverina amin’ny SMA avokoa ireo dabam-pako nanakanan-dalana
Tahaka ireo asa maro isan-tsokajiny, dia isan’ireo niato ihany koa ny fanangonana fako teto Antananarivo Renivohitra, nandritra ireny fidinana an-dalambe nanaovana fitakiana teto amintsika ireny. Ankoatra ny famerana ny fivezivezena amin’ny alina, izay tsy nahafahana niasa toy ny mahazatra, dia nisy nampiasan’ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny fanakanan-dalana ihany koa ny dabam-pako lehibe.
Dabam-pako lafo vidy
Raha tsiahivina dia ny orinasa SMA (Société municipale d'assainissement) no tomponandraikitry ny fanadiovana sy ny fanangonana ny fako eto Antananarivo Renivohitra. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ity orinasa ity, dia nisy ny fiatoana teo amin’ny fanangonana ny fako, nandritra ireny tolom-bahoaka nitranga teto amintsika ireny. Efa miverina amin’ny laoniny anefa ny fanadiovana ny tanàna ankehitriny.
Isan’ny nampiasin’ireo mpanao fihetsiketsehana, nanaovana fanakanan-dalana, ireny dabam-pako lehibe ireny. Raha ny nambaran’ny tale jeneralin'ny SMA, ny kolonely Razafimanahaka Tiana, dia efa tafaverina avokoa izy ireny, fa tsy nisy ny very. Misy kosa anefa no mila fanamboarana. Nampahafantariny fa mitentina 25 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray amin’ireny dabam-pako ireny, izany hoe : fatiantoka lehibe, raha misy ny fahaverezan’izy ireny.
Vanim-potoana mahabetsaka ny fako
Efa miditra amin’ny fotom-pahavaratra moa isika izao, vanim-potoana izay mampitombo ny hadirin’ny fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra. Araka ny fanazavana mantsy dia avo 1,5 heny amin’ny mahazatra ny habetsaky ny fako eto an-drenivohitra rehefa vanim-potoanan'ny orana sy fahavokaran'ny voankazo. Miisa 750 ireo mpiasa raikitry ny SMA misahana ny fanangonana izany fako izany sy ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, amin’ny ankapobeny. Mbola misy mpiasa hafa manampy an’ireo, manodidina ny 150 isa.