• Cours de change
  • 5187.48 AR
  • |
  • $4519.54 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Loto eto Antananarivo : Hamoaka vaovao ara-potoana momba ny kalitaon’ny rivotra ny MEDD

24/10/2025 10:41 © Moov.Mg

Rakotra setroka matevina Antananarivo, tao anatin’ny andro maromaro izao, izay ahitana taratra ny fahalotoan’ny rivotra iainana eto an-drenivohitra. Mba hanampiana amin’ny fandraisana fepetra, manoloana izany tranga izany, dia hamoaka vaovao momba ny kalitaon’ny rivotra (bulletin de la qualité de l’air) ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Loton’ny rivotra vokatry ny setroka

Ny alarobia 23 oktobra 2025 lasa teo no tena nahitana fa rakotra karazana zavona manempotra Antananarivo. Ao anatin’ny vanim-potoana maha-ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra tanteraka isika ankehitriny, araka ny fanazavana nomen’ny tale misahana ny fitantanana ny loto sy ny fako eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Rakotomanana Rila Albani. Manomboka ny volana septambra hatramin’ny volana novambra no tena ambony io tahan’ny loton’ny rivotra io, eto Madagasikara. Ny firotsahan’ny orana no manadio izany, ka mampihena ny loton’ny rivotra iainana.

Amin’ny ankapobeny dia misy efatra ireo antony mahatonga ny fahalotoan’ny rivotra eto Atananarivo. Voalohany amin’izany ny fandoroana biriky, izay eny Ambohitrimanjaka no tena ahitana izany betsaka. Manaraka izany ny doro tanety sy ny doro ala, izay tsy voatery hitranga eto Antananarivo sy ny manodidina, saingy entin’ny rivotra manketo an-drenivohitra ny setroka aterany. Isan’ny miteraka izany setroka mitondra loto izany ihany koa ireo fiara marobe mivezivezy sy ny setroka avoakan’ireo indostria.

Miteraka olana ara-pahasalamana

Zava-pitranga eto Madagasikara, indrindra eto Antananarivo, isan-taona, ity fahalotoan’ny rivotra ity. Tena marefo, eo anatrehan’izany, ireo olon-dehibe efa nahazo taona, ny zaza madinika, ny vehivavy bevohoka sy ireo olona manana olana amin’ny taovam-pisefoana. Miteraka fiantraikany ratsy ara-pahasalamana maro io loton’ny rivotra io, « manomboka amin’ny soritr’aretina malefaka toy ny kohaka sy maso mangidihidy, ka hatramin’ny aretina sarotra toy ny sohika ary ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà », araka ny nambaran’ny INDRI (Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation).

Namolavola fitsipika 10 hiadiana amin’ny afo, niaraka tamin’ny mpisehatra ara-tontolo iainana an-jatony ny INDRI, mba hiatrehana ity olana ity, eo amin’ny sehatra nasionaly. Misy ihany koa ny antso nataon’izy ireo tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny fampihenana ny fampiasam-batana sy ny fanatanjahantena amin’ny vanim-potoanan’ny loto, indrindra eo amin’ireo ankizy mpianatra ; ny tokony hizaran’ny manam-pahefana ireo vaovao ara-potoana momba ny kalitaon'ny rivotra, mba ahafahan'ny mponina mandray fepetra ary ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny fitantanana ny afo.

Fizaram-baovao momba ny kalitaon’ny rivotra

Efa an-dalam-panandramana ankehitriny ny tetikasa fizaram-baovao momba ny kalitaon’ny rivotra eto Madagasikara, araka ny fanazavana nomen’ny tale misahana ny fitantanana ny loto sy ny fako eo anivon’ny MEDD. Nanombohana izany ny fametrahana fitaovana « capteurs », fijerena ny kalitaon’ny rivotra, niarahana tamin’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro. Mpiara-miombona antoka amin’ny MEDD, amin’ny fametrahana ny « bulletin de la qualité de l’air » ity farany, miaraka amin’ny Ivon-toeram-pikarohana Nasionaly momba ny Siansa sy ny Teknika Nokleary (INSTN), ary ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny lisea Nanisana no efa nanatanterahana ny andrana, satria ny tontolon’ny fampianarana no isan’ny hiantefan’ity fampitam-baovao ity, mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra ny amin’ny fanaovana fanatanjahantena, ohatra.

Isan’ny dingana vita ao anatin’ny fitantanana ny kaliaon’ny rivotra ihany koa, araka ny fanazavan-dRakotomanana Rila Albani, ny fahazoan’ny MEDD fitaovana hiaka farany hijerena nykalitaon’ny setroka mivoaka avy amin’ny fiara. Misy akora simika manimba fahasalamana mantsy aterak’izany setroka izany. Miaraka amin’izay dia efa an-dalam-pamolavolana ihany koa ny fametrahana ny fenitra momba ny setroka avoakan’ny fiara eto Madagasikara, araka ny fanazavana, iarahana amin’ny Biraon'ny Fenitra eto Madagasikara (BNM).

Lire la suite

Articles Similaires