• Cours de change
  • 5190.3 AR
  • |
  • $4458.19 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

CHAN 2024 : Nanolotra fankasitrahana ny Yas Madagasikara

02/09/2025 16:37 © Moov

Noraisina tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Campus Yas Andraharo ireo mpilalao sy Staff Technique Barea, ny tolakandron'ny Talata 2 septambra 2025.

Efa maherin'ny 15 taona izay no mpanohana ofisialin'ny Baolina Kitra ny Yas Madagasikara. Noho izany indrindra, tsy manadino ny Barea izany Orinasa izany, manoloana izao fahazoana ny laharana faharoa tamin'ny CHAN 2024 izao.

Rano sy Vary

Mpirahalahy mianala ny Yas Madagasikara sy ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra. Nifanjohy hatrany ny roa tonta, na tamin'ny fahombiazana na tamin'ny fotoan-tsarotra. Ho fankasitrahana ny ezaka vita tany Kenya, tamin'ny fifaliana lehibe no nandraisan'ny fianakaviamben'ny Yas Madagasikara ny ekipa niaro ny voninahi-pirenena. Notolorana "Prime" sy finday tsirairay avy ireo mpilalao sy mpanazatra ary mpisehatra teknika. Mendrika fanomezana izy ireo satria nanome ny tsara indrindra. "Teo foana ny Yas nanohana anay, sady naha-toy izao anay. Mamaly ny antsonay hatrany na andro na alina", araka ny nambaran'ny Coach Romuald Rakotondrabe nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Nanome toky ny tale jeneralin'ny Yas, Benoît Janin, fa mbola hanohana hatrany ny Baolina Kitra ny orinasa, ary manantena fa horombahin'ny Barea ny amboara amin'ny CHAN 2027.

Lire la suite

Articles Similaires