• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Résultat BEPC 2025 : Valim-panadinana voalohany androany 5 jolay

05/07/2025 10:16 © Moov

Sabotsy 5 jolay. Tamin'ny 10 ora maraina teo ho eo no nivoaka ny Résultat BEPC 2025 voalohany.

Ny valim-panadinana BEPC 2025 ho an’Andramasina, Iakora, Ambatomainty no voaray izao maraina izao. Haingana dia haingana tokoa ny fivoahan'ny vokatra satria vao tamin'ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay teo ny fanadinana no notanterahina.

Mivoaka tsikelikely ny vokatra

Samy manana ny fotoana amoahany ny voka-panadinany avy ny CISCO tsirairay. Nisy ireo nanomboka ny fitsarana avy hatrany raha vao vita ny taranja iray. Nisy kosa ireo afak'omaly alakamisy 5 jolay sy omaly zoma 6 jolay vao nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana. Ho an'ny eto Antananarivo manokana, ao amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) no itsarana ireo taratasim-panadinana. Asaina araka izany ireo mpiadina sy ray aman-dreny mba hanam-paharetana kely.
Ny azo antoka aloha, hivoaka mialohan'ny fanadinana Bakalorea 2025 avokoa ny Résultat BEPC 2025 manerana ny Nosy. Ny herinandron'ny 7 jolay izany no tena famoaham-bokatra, arakaraka ny fandaminana eo anivon'ny CISCO tsirairay sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Antonony ny voka-panadinana, 64,13%ny taham-pahafahana tao Ambatomainty, 68,02% tao Iakora ary 55,90% tao Andramasina.

Tatitra ankapobeny

Taranja 7 no nanadinana ireo mpianatra. Amin'ny ankapobeny, olana madinidinika ihany no nisy, toy ny fanadinoana na fahaverezana Convocation na Carte d'identité Scolaire. Samy niezaka nandamina izay mety ho sakana rehetra ireo tompon'andraikitra. Mpiadina miisa 299 312 no niatrika ny fanadinana manerana ny Nosy izay voatsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 1 072 ary efitrano 9 000.
Ho an'ny DREN Atsimo Andrefana manokana, mpiadina miisa 14 355 no nandray anjara tamin'ny fanadinam-panjakana BEPC Madagasikara tamin'ity taona ity, raha toa ka 16355 izany tamin'ny taona lasa. Nisy fihenana hatramin'ny 2 000 isa araka izany ny isan'ny mpiadina tany an-toerana ho an'ity taona 2025 ity. Marihina fa 09 Taona ny zandriny indrina izay miisa roa, ny iray ao tapon-tanànan'i Toliara I ary ny iray any Ejeda. 49 Taona kosa ny zokiny indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires