• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Sesa
Image
Vaovao

Santa-bokatra : Nahatratra 200 taonina ny vokatra mangahazo tao amin’ny « camp pénal » Tsinjorano

04/07/2025 11:10 © Moov

Notontosaina, omaly, ny santa-bokatra tao amin’ny Camp Pénal Tsinjorano, Kaominina Ambanivohitra Andonaka, Matsiatra Ambony. Tsara ny vokatra raha nahazo 200 ireo voafonja namboly tamin’ny velaran-tany 50Ha. Avy amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, moa ny antom-pisian’ity tetikasa ity.

Ho velarina amin’ny famokarana hafa

Voafonja miisa 58 no miara-mientana amin’ny fambolena tamin’io velaran-tany io. Mbola misy 80 ha azo trandrahina ihany koa any an-toerana ankoatra io efa nambolena io. Hosokafana ny fambolena, araka ny nambaran-dRamatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena Ara-tsakafo. « Tanjona amin’ny hoavy ny hanitarana izany amin’ny vary sy tsaramaso, noho ny fisian’ny tany midadasika sy olona vonona hiantsoroka ny asa famokarana », hoy ny tenany.
Raha tsiahivina moa ny vinan’ny fiaraha-miasa dia ny fampiakarana ny taha-pamokarana ho enti-miantoka sakafo ara-pahasalamana sy ara-dalàna ho an’ireo voafonja. Araka izany dia ireo voafonja ihany dia efa afaka mamokatra sakafo ho jifainy.

Fampiofanana sy tan-tsoroka

Nandritra ny fitsidihan’ity Sekreteram-panjakana ity dia hita ihany koa ny filàna amin’ny sehatry ny famokarana. Handray an-tanana izany ny Sekreteram-panjakana amin’ny alalan’ny fanohanana ara-teknika sy masomboly voafantina sy tsara kalitao, entina hampitomboana ny vokatra.
Tsy hijanona amin’ny famokarana fotsiny ny ezaka, fa hitohy ihany koa amin’ny fampiofanana marolafy, tahaka ny fampiasana vola amin’ny fomba mahomby sy ny fanodinana ny vokatra. Hiantsehatra feno amin’ny fanatsarana ny rafi-pamokarana na ny « transformation agricole » araka izany ireo tobim-pamokaran’ny fonja ireo. Etsy ankilany dia tsy mijanona ho azy ireo mandritra ny fe-potoan’ny famonjana azy ireo ny fanampiana fa entina hanomezana fanantenana ho azy rehefa mivoaka ao. Izany moa dia ao anatin’ny politika natao hijerena ny maha-olona.

Lire la suite

Articles Similaires