Toamasina : Olona 7 tratran'ny Fahapoizinana ara-tsakafo
Amin'izao fiandohan'ny volana jolay izao, misy trangana Fahapoizinana ara-tsakafo indray ao Toamasina. Olona 7 no niditra hopitaly noho izany.
Ny vaovao tsara aloha dia efa indroa izao no nisehoan'ny Fahapoizinana ara-tsakafo tao Toamasina, saingy voatsabo hatrany ireo marary. Tsy nisy izany ny olona maty.
Toxi-infection alimentaire collective (TIAC)
Raha ara-tsiantifika, ny "intoxication alimentaire" dia mahakasika olona iray, noho ny tsy fahazakany sakafo iray ohatra. Rehefa misy kosa ny aretina mahakasika olona maromaro, nihinana sakafo mitovy tamina toerana iray, Toxi-infection alimentaire collective (TIAC) no resaka.
Fianakaviana kely iray ahitana olona 7 no miaraka tsaboina ao amin'ny Centre Hospitalier Universitaire Analankininina Toamasina. Ny fivalanana sy ny fandoavana ary ny harerahana be no soritr'aretina nahatonga azy ireo nanantona toeram-pitsaboana. Voalaza moa fa ny "composé" sy "ovy frites" no ahiana nahatonga izao aretina izao.
Amin'ny trangana TIAC moa dia maimaimpoana ny fandraisana an-tanana eny anivon'ny Hopitalim-panjakana. Misy ny fanadihadihana tanterahin'ireo tompon'andraikitra, mba hamantarana izay tena niavian'ny aretina marina.
Fanamafisana ny fitandremana
Saika mailo avokoa ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy noho ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo nisesisesy tamin'ny faritra vitsivitsy. Ho an'ny tao Toamasina, nisy TIAC ihany koa ny tapatapaky ny volana jona lasa teo, izay nahakasika olona 6, noho ny fihinanana "Godrogodro au Chocolat".
Entanina araka izany ny tsirairay, na ny mpivarotra sakafo na ny ao an-tokantrano, mba hanaja ny fahadiovana. Tsy azo atao tsinontsinona ihany koa ny fanajana ny fitehirizana ny sakafo, indrindra raha misy vokatra mila fampangatsiahana. Asaina ihany koa ny rehetra mba hanamarina ny entana rehetra vidiana : hanamarina ny daty ohatra raha sakafo amin'ny fonosana no vidiana. Entanina ihany koa ny fampiasana ny menaka fanendasana indray mandeha ihany : mahatonga olana ara-pahasalamana ny fampiasana menaka efa avy nanendasana.