• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Adn Yas
Image
Vaovao

Festival des Baleines 2025 : Kolontsaina Antenôsy, Fizahantany, Fiarovana ny tontolo iainana

04/07/2025 15:15 © Moov

Andro sisa no isaina dia hanomboka indray ny "Festival des Baleines" any Sainte-Marie. Andiany faha-8 ny hetsika, izay hiandrasana Malagasy avy amin'ny lafy valon'ny Nosy sy Vahiny avy amin'ny kaontinanta rehetra, ny 12 hatramin'ny 20 jolay.

Ao an-tampon-tananan'i Sainte-Marie, 2 kilometatra miala ny Seranantsambo, no hisy ny YAS VILLAGE. Ao amin'io toerana io no handray ny hetsika rehetra amin'ny ankapobeny : tranoeva fampirantiana, sehatra fanaovan'ny mpanakanto fampisehoana, fisakafoanana, sns. Hanokafana ny hetsika ny "Défilé-Carnaval" goavambe, izay hampisehoana fitafiana sy karazan'asa tanana hafakely.

'Ndao hilalao

Anisan'ny tanjon'ny Festival des Baleines 2025 ny fampiroboroboana ny ekonomia ao Sainte-Marie, Nosy Boraha. Marobe mantsy ireo mpanao asa tànana sy mpanan-talenta ao amin'io Nosikely io. Hisy araka izany ny varotra fampirantiana ireo asa tanàna isan-karazany, hahitana akanjo, firavaka, haingon-trano sy kojakoja fampiasa amin'ny andavan'andro. Azon'ireo mpanao asa tanana, na olon-tsotra na efa matihanina, ny mandray anjara amin'ny fifaninanana asa tanana (broderie, vannerie, sculpture en bois).
Ho an'ireo mpankafy fanatanjahantena kosa, hisy ny lalao baolina kitra eny amin'ny fasika (foot sur sable), ny hazakazaka 10 kilometatra ary ny fifaninanana an-tsambokely (course pirogue).

'Ndao hijery "Baleines"

Fotoana fandalovan'ireo trozona amin'ny fari-dranomasin'i Sainte-Marie ny volana jolay toy izao. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoan'ny Festival des Baleines 2025 tokoa ny "Sortie Baleine" izay fitsangatsanganana an-dranomasina hahitana ireo "Baleines à bosse". Efa misy moa ny manam-pahaizana amin'ny fitadiavana ireo biby ireo, isaky ny sambokely mandeha, ka maharitra adiny roa raha kely indrindra ny fitsangatsanganana eny an-dranomasina.
Amin'ny kolontsain'ny Antenôsy, dia ireo mponin'i Sainte-Marie, "Zagnaharibe" ny trozona. Afaka mifaly izany ireo izay mahita ireny biby ireny fa tsara vintana sady mety hahazo fitahiana manokana. Anisan'ireo biby arovana moa ny "Baleines", ka misy ireo fepetra tsy maintsy arahin'ireo mpitsidika. Na te hahita akaiky be ireo trozona aza, misy ny elanelana tsy maintsy hajaina, mba tsy hatahotra ireo biby ireo ka tsy handalo intsony eto Madagasikara.

'Ndao hankafy ny hatsaran'i Gasikara

Fotoana fanararaotana hitsidihana an'i Sainte-Marie ny Festival des Baleines 2025. Maromaro tokoa ireo toeram-pizahantany manintona : kanto ery, mangingiana sady tsy mamay be. Raha ho any amin'ny faritra atsimon'i Sainte-Marie, any akaikin'ny Seranampiaramanidina no misy ny Ile aux Nattes. Nosy kely izy io ka mila miampita lakana vao tonga ao. Misy mponina ao amin'io toerana io ka ahitana sekoly, toeram-pisakafoanana sy toeram-pialamboly. Ny "Maison Blanche", hotely lehibe amin'ny toerana avo, no tena manintona ireo mpitsidika satria hahatazanana an'i Sainte-Marie manontolo sy ny ranomasina manodidina azy.
Any amin'ny faritra avaratra kosa no misy ny "Piscine naturelle" izay misy ambaratonga 3 be izao. Any amin'io toerana io misy vato fanaovana fombafomba, izany hoe hangataham-pitahiana, ho an'ireo izay mino izany. Tsara ny manamarika fa tsy vitsy ireo toeram-pizahantany tsy lavitra ny Seranantsambo, dia ny Fiangonana Katolika Ambodifotatra, ny Ilôt Madame ary ny ny Cimetière des Pirates.

'Ndao hamantatra ny kolontsaina Antenôsy

Tsy voatonona matetika ny hoe "foko Antenôsy". Manana ny mampiavaka azy tokoa izy ireo, na amin'ny fomba amam-panao na amin'ny fitafy. Azo lazaina fa miray hina tokoa io foko io, satria tanàna kely raha i Sainte-Marie. Amin'ny fahoriana ohatra, tompom-pahoriana avokoa ny iray tanàna.
Somary mahatalanjona ny mpivahiny ny hoe "fa maninona no tena kely ny fasana ? Toa tsy antonona vatan'olona akory ?" Ho an'ny mponina any an-toerana, misy ny "fagnokarana", izay fanambarana ny taolambalon'ny maty ao anaty vatakely, 5 taona aorian'ny fahafatesany. Ho an'ireo zanatany, rehefa vita io fomba io vao mahazo fasana tsara tarehy ny maty.
Mandritra ny Festival des Baleines 2025, samy hitondra ireo fitafy sy taovolo ary fomba amam-panao mampiavaka ny Antenosy ireo mpandray anjara amin'ny fifaninanana "Miss Baleine".

Lire la suite

Articles Similaires