• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Volavolan-dalàna miisa 11 hamatsiana tetikasa mitentina 877 500 000 dolara no lany

04/07/2025 12:52 © Moov

Volavolan-dalàna miisa 11 no lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, alakamisy 03 jolay 2025, nandritra ny fivoriambe, notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa Tokely Justin, ary natrehan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Volavolan-dalana mahakasika famatsiam-bola mitotaly 877 500 000 dolara izy ireo, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera.

Ho an’ny sosialim-bahoaka

Voaresaka betsaka amin’ireto volavolan-dalàna ireto ny lafiny sosialim-bahoaka sy ny maha-olona. Etsy ankilany dia saika samy hahazo ny anjarany avokoa ny lafy valon’ny Nosy. Miisa dimy (5) amin’izy ireo no mikasika mivantana ny maha-olona sy ny fiainany. Tafiditra ao anatin’izany ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2025 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du projet de transformation de l’accès et de l’apprentissage à Madagascar » hiarahana amin’ny « Association Internationale de Développement (IDA) ». Ity fifanarahana ity dia entina hampitomboana ny tahan’ny fahavitana fianarana sy ny fanatsarana ireo vokatra azo avy amin’ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga voalohany. Eo ihany koa ny Volavolan-dalàna laharana faha-009/2025 izay entina hanarenana ireo fotodrafitrasa any amin’ny Faritra Atsimo sy any amin’ny Faritra Atsinanana ka voakasik’izany ny sehatry ny rano sy ny famatsiana herinaratra.
Manampy izany ny Volavolan-dalàna laharana faha-011/2025 entina hiadiana amin’ny fahantrana any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ary ny volavolan-dalàna laharana faha-012/2025 mba hisitrahan’ireo tokatrano, orinasa ary tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara herinaratra.
Isan’ny lany ihany koa ny Volavolan-dalàna laharana faha-014/2025. Entina manangana lalàna sy rafitra hanamafisana ny fitsirihina ny maha-olona, izy io. Izany dia atao entina miady amin’ny hosoka ary hanatsarana ny fikirakirana ny antotam-baovao mikasika ny maha olona na ny « gestion de l’identité ». Tanterahina amin’ny alalan’ny fametrahana ny “système informatisé de gestion de l’identité et institution du registre national d’identité des personnes physiques », kosa izy io.

Fampandrosoana ara-ekonomika

Miisa enina (6) kosa ireo volavolan-dalàna entina hampivoarana ara-ekonomia, lany. Voalohany amin’izany ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2025 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du projet d’aménagement de corridors et de facilitation du commerce# Phase III » hiarahana amin’ny « Fonds Africain de Développement (FAD) ». Ity tetikasa vatsiana vola ity dia manohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa fitaterana, ho fampidirana an’i Madagasikara amin’ireo lalana ara-barotra sy koridoro manerana an’i Afrika.
Ny Volavolan-dalàna laharana faha-008/2025 entina hanampiana ny kitapom-bolam-panjakana mba hanatrarana ny fampitomboana ny hari-karena faobe ka hitarika ny fampihenana ny fahantrana manerana ny Nosy ary ny Volavolan-dalàna laharana faha-010/2025 « autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au projet de transformation économique pour une croissance inclusive – 3ème Phase » hiarahana amin’ny Association Internationale de Développement (IDA). Ity fifanarahana ity dia entina hampiroboroboana ny lafiny ara-ekonomika amin’ny alalan’ny fanamorana ny fampiasam-bola tsy miankina, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ary famporisihina ny fampitomboana ireo orinasa madinika sy salantsalany.
Manampy izany ny Volavolan-dalàna laharana faha-013/2025, ho an’ny faritra Atsimo. Asa hatao amin’izany ny fampifandraisana ireo toerana any, ary fikajiana ireo lalana any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ary farany ny volavolan-dalana entina hamatsiana ny Tetikasa PAPAM II izay entina hanatsaràna ny fambolena.
Farany ny Volavolan-dalàna laharana faha-006/2025 « sur la loi régissant le maintien de la stabilité financière et instituant les autorités macroprudentielles ». Ny tanjona amin’ity volavolan-dalàna ity dia ny fametrahana rafitra maharitra, ara-dalàna sy andrimpanjakana mba hiantohana ny fitazomana ny fahamarinan-toerana ara-bola.
Nomarihina fa ity volavolan-dalàna momba ny fahamarinan-toerana ara-bola ity ihany no nasian'ireo Solombavam-bahoaka fanitsiana vitsivitsy. Ny ambiny kosa dia lany tsy nasiam-panitsiana.

Lire la suite

Articles Similaires