Asa soa : Hanolotra 504 tapitrisa ariary mahery ho an’ny Akamasoa i Emmanuel Macron
Namaranan’ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, ny fitsidihany an’i Madagasikara, androany, ny fandalovana teny amin’ny Akany Akamasoa, Andralanitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambarana fa hanolotra 100 000 Euros na eo ho eo amin’ny 504 600 000 ariary ho an’ity akany ity ny Repoblika Frantsay, ho fanohizana ny asa fampandrosoana eny an-toerana.
Hananganana efitrano fianarana
Feno hafaliana ireo ankizy sy tanora beazina ao amin’ity Akany ity nandritra io fihaonana io. Horakoraka, dihy ary hira no nanamarihan’izy ireo izany. Hita misoritra eny amin’ny tavany fa hipoka izy ireo, indrindra fa i Père Pedro izay nanangana sy mpitantana ny Akany. Ankizy sahirana miisa hatramin’ny 20 000 rahateo no beazina sy hampianarina ary karakaraina ao amin’ity toerana manan-tantara ity. Namaly ny lahatenin’i Filoha Frantsay avy hatrany i Père Pedro, izay nanamarihany fa hananganana efitrano fianarana miisa dimy io lelavola io. Eo amin’ny faritr’Andralanitra hatrany no hisian’izany, izay hampiroboroboana ny asa fampianarana.
Raha tsiahivina dia ahitana mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany, faharoa sy fahatelo ary Oniversite eny amin’ity toerana ity. Ankoatra izay dia mitsabo sy manampy amin’ny lafiny fanabeazana maimaimpoana ireo ankizy beazina sy ny Ray aman-dReniny ihany koa ny toerana.
Emmanuel Macron : nankasitraka an’i Père Pedro
Mpanao asa soa, tia ny olona sahirana, manana fanetren-tena : izany no nisokajian’ity Filoham-pirenena Frantsay ity an’i Père Pedro. Ireo toetrany ireo indrindra no nanorenany sy nitondrany ny asa rehetra ao amin’ny Akany Akamasoa. Trano fonenana miisa 5 000 no efa hita eny an-toerana amin’izao fotoana izao, ho an’ireo fianakaviana sahirana. Ahitana toeram-pianarana sy toeram-pitsaboana ihany koa eny amin'ny Akamasoa. Mamorona asa ho an’ireo sahirana aman’arivony ihany koa ny tenany. Izany rehetra izany anefa dia ataony maimaim-poana avokoa noho ny fahafoizan-tenany.
Izany indrindra no nanoloran’ity Filoha ity ny teny fankasitrahana an’i Père Pedro. « Misaotra ny amin’ny lesona lehibe izay natolotrao ho anay androany dia ny fahafoizana sy ny fahadiovam-po manoloana ireo madinika sy sahirana », hoy ny tenany. Nanamafy izy fa fanombohana ihany izao fitsidihana sy tolotra izao fa ho eo anilan’ny Akamasoa hatrany i Frantsa amin’ny asa rehetra mbola ho avy.