Papa François : Nafindra ao amin'ny Basilique Saint-Pierre ny nofo mangatsiakany
Ny maraina teo no niala tao amin'ny Chapelle Sainte Marthe, fiangonana kely tamin'ny toerana nisy ny Résidence Sainte Marthe nonenany, ny nofo mangatsiakan'ny Papa François.
An'aliny maro ireo mpino kristiana katolika sy ireo olon-tsotra milahatra hijery ny vatana mangatsiakan'ny Papa François. Azon'ny rehetra atao ny manao veloma farany azy, androany sy rahampitso. Ny sabotsy kosa dia efa fiomanana amin'ny lamesa sy ny fandevenana no atao. Ho hidiana tanteraka ny vatam-paty misy ny vatany, noho ny fandevenana.
Lamesa teto Madagasikara
Tontosa ny maraina teo, teny amin'ny EKAR Saint François Xavier Antanimena, ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra noho ny nampindramany ny Papa François. Vory maro ireo olo-manan-kaja maro sy mpino kristiana teto Antananarivo sy ny manodidina. Miombom-po tanteraka amin'ireo katolika ao Roma moa ny eto Madagasikara.
Tsara ny mampahafantatra fa manana solontena hanatrika ny fandevenana ny Papa François isika Malagasy, dia tsy iza fa ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Handao an'i Madagasikara rahariva ny tenany, ary hijanona ao Roma mandritra ny herinandro vitsivitsy. Handray anjara amin'ny "Conclave", izay hifidianana ny Papa vaovao mantsy ny tenany, afaka 15 andro eo ho eo. Hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny Fandevenana ny Papa François ny lehiben'ny Vondron'ny Eveka eto an-toerana, Mgr Raharilamboniaina Fabien.
Eo ivelan'ny Basilique Saint-Pierre moa no hanatanterahana ny lamesam-pandevenana. Ao amin'ny Basilique Sainte-Marie-Majeure kosa, fiangonana romana antitra indrindra, no hanitrihana ny vata-mangatsiakan'ny Papa François.
Fiambenana ny Papa
Anisan'ny nanintona olona maro ny fisian'ny mpiambina misalotra fitafiana manga sy mavo, na fony ny Papa François mbola velona na izao izy nodimandry izao. Ireo "gardes suisses", tafika efa niforona tamin'ny taona 1 506. Miaro ny fanjakan'i Vatican ireo miaramila ireo. Ambenana manokana ny Papa Ray Masina satria tsy lehiben'ny Eglizy Katolika ihany fa sady filoham-panjakana ao Vatican ihany koa.
Ireo mpiambina ireo dia nanamafy fa olona tsara fanahy sy feno tsiky ny Papa François. Very olo-manga tokoa izao tontolo izao. Tsy nijanona tamin'ny sehatry ny finoana ihany mantsy ny Papa François, fa maro ireo tetikasa sosialy notohanany. Nitsinjo manokana ireo ankizy sy ireo sahirana ny tenany.