• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Firoboroboan'ny Aterineto : Hisy foara an'habaka voalohany eto Madagasikara

24/04/2025 11:59 © Moov

Entana maherin'ny 3 000 no hisy fihenambidy mandritra ny "Foire Digitale", ny 28 aprily hatramin'ny 4 may, ao amin'ny tranokala ketrika.com.

Saika efa zatra miantsena "en ligne" ny eto Madagasikara, indrindra nanomboka tamin'ny fihibohana noho ny Covid-19. Noho ny firoboroboan'ny Aterineto sy ny Teknokojia, tsy voatery mandany fotoana mitety tsena intsony vao mahazo ireo entana rehetra ilaina amin'ny fiainana andavanandro.

Fanomezana fahafaham-po ireo mpiantsena an'habaka

Na fitaovan-dakozia na fitaovana avolenta na kokajokan-damaody na PPN, samy ho hita ao amin'ny Ketrika.com mandritra ny hetsika foara an'habaka avokoa izany. Maherin'ny 50 ireo mpivarotra mandray anjara, ka anisan'izany ny Kibo sy ny Makiplast. Mandritra ireo 7 andro ireo, dia ny 28 aprily hatramin'ny 4 may, afaka misafidy ny ora tiany hiantsenana ny rehetra. Azo tsidihana hatrany ny tranokala na maraina na atoandro na alina, arakaraka ny fandaharam-potoan'ny tsirairay.
Misy sary sy toro feno ny entana tsirairay, ka azo antoka fa tsy ho diso fanantenana ny mpanjifa. Amin'ny "mobile money" moa no handoavana ny vidin'entana, ary misy ny "livraison" na fanaterana ireo entana rehetra nalaina ao anatin'ny 24 ora.

Tolotra miavaka sy kilalao

Ankoatra ny fihenam-bidy, hisy ihany koa ny fanentanana isan-karazany mandritra ny "Foire Digitale". Hisy ohatra ny "vente flash" izay ampidinana be ny vidin'entana maromaro na vitsivitsy mandritra ny fotoana voafetra. Hisy ihany koa ny "vente aux enchères", izany hoe izay mpanjifa manome tolo-bidy ambony indrindra no mahazo ny entana.
Ho an'ireo tia kilalaon-tsaina, hisy ny lalao iarahana amin'ny "E-kajy", ka izay mahamarina dia mahazo loka, izany hoe fihenam-bidy misimisy kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires