Fihaonambe COI : Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo vahiny nasaina
Azo antoka fa hizotra an-tsakany sy an-davany ny Fihaonambe COI andiany faha-5, eny amin'ny CCI Ivato. Efa eto an-toerana avokoa ireo vahiny nasaina.
Raha tsiahivina, firenena 5 no mandrafitra ny COI, dia i Madagasikara, Seychelles, Maurice, Comores ary La Réunion. Samy efa eto an-toerana avokoa ny mpitarik'ireo Nosy ireo, miaraka amin'ireo delegasiona rehetra.
Fandraisana makotroka
Samy nisitraka fandraisana miavaka avokoa ireo filoham-panjakana na solotenam-panjakana avy amin'ireo nosy 4 manodidina an'i Madagasikara. Ny Filohampirenen'i Seychelles, Ravel Ramkalawan sy ny vadiny, no tonga voalohany teto Madagasikara, omaly 22 Aprily.
Miisa 3 kosa ireo olom-panjakana noraisina androany 23 Aprily : ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, ny Filohan'i Comores Azali Assoumani ary ny Praiminisitra Maorisiana Dr Navinchandra Ramgoolam. Samy nombam-bady sy delegasiona mavitrika avokoa ireo filoham-panjakana sy solotenam-panjakana ireo.
Ny filohampirenena Frantsay Emmanuel Macron moa dia noraisin'ny filohampirenena Malagasy Andry Rajoelina teny amin'ny Lapan'Iavoloha satria "Visite d'État" no anton-diany mialoha ny Fihaonambe COI.
Fandaharam-potoana feno
Efa mipetrapetraka ny fandaharam-potoana ho an'ny tontolo andron'ny rahampitso alakamisy 24 Aprily. Hisy ny fanaovana jery todiky ny COI, noho ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny vondrona. Votoanton'ny lanonana ihany koa ny fifampidinihana mikasika ireo drafitra hahatratraran'ny nosy tsirairay ny fahavitantena ara-tsakafo.
Manomana seho miavaka ny eto Madagasikara, mba hampahafantarana sy hanindrahindrana ny kolontsaina Malagasy. Zava-dehibe izany fizarana ara-koltoraly izany satria marobe ireo mpanao gazety vahiny tonga eto an-toerana sady hitatitra ireo zavatra rehetra hitany eto Madagasikara.