Volamena 25,5 kg tao Maorisy : Tafaverina eto Madagasikara androany 24 aprily !
Tombony tsy manam-paharoa amin'ny fandraisana fihaonambe ny fanamafisam-piaraha-miasa amin'ireo mpandray anjara rehetra. Natolotr'i Maorisy ampahibemaso nandritra ny Sommet COI ny vongam-bolamena milanja 25,5 kg nisy nanodrana an-tsokosoko.
Nanome voninahitra ny Sommet COI andiany faha-5 teny amin'ny CCI Ivato ny delegasiona maorisiana, notarihin'ny Dr. Navinchandra Ramgoolam, Praiminisitry ny Repoblikan’i Maorisy, sy ny vadiny. Omaly 23 aprily izy ireo no tonga soa teto Madagasikara.
Fifamatorana eo amin'ny Nosy roa tonta
Tsy zava-baovao ny fifamatorana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Ny fihaonambe toy izao dia fotoana hanamafisana orina ny fihavanana sy ny fiaraha-miasa efa misy.
Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fandintseranana eto Madagasikara sy any Maorisy, natolotra androany 24 aprily ny volamena milanja 25,5 kg. Tra-tehaka tao amin'ny Nosy Maorisy izany volamena izany, noho ny fanondranana an-tsokosoko, ny volana janoary taona 2019. Teratany Malagasy miisa telo no nahatratrarana izany, tao amin'ny Aéroport Sir Seewoosagar Ramgoolam (SSR), niaraka tamina vola 6 000 euros. Nikasa ny handeha any Mumbai Inde ny roa tamin'izy ireo, raha saika hihazo an'i Dubaï ny iray. Nanambara izy telolahy fa saika nanamboarana firavaka ny volamena nahondrany.
Fifanarahana ara-diplomatika
Tamin'ny taona 2020 no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra teto Madagasikara fa hangatahina averina eto an-toerana io volamena io. Nisy araka izany ny fifampiraharahana samihafa. Ankehitriny, tratra ny tanjona. Efa natolotry ny Praiminisitra Maorisiana Dr. Navinchandra Ramgoolam ny filoham-pirenena Malagasy izany harem-pirenena izany. Ho tehirizina ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara izany volamena izany satria tafaverina soa aman-tsara.
Tsara ny manamarika fa miara-miasa amin'ny ady amin'ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena ny fadintseranana roa tonta, dia ny eto Madagasikara sy ny any Maorisy. Tafiditra ao anatin'ireo harena arovana ny harena an-kibon'ny tany, ny zava-maniry ary ny biby ahiana ho lany tamingana. Tsy adino ny ady iombonana amin'ny zava-mahadomelina.