• Cours de change
  • 5046.41 AR
  • |
  • $4505.02 AR
Copyright Image : © Vatican News
Image
Vaovao

Fisafidianana ny Papa vaovao : Handray anjara amin'ny Conclave ny Kardinaly Désiré Tsarahazana

22/04/2025 06:40 © Moov

Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana no teratany Malagasy fahatelo handray anjara amin'ny Conclave, izay hifidianana izay ho lehiben'ny Eglizy Katolika manerantany, sady filoham-panjakana ao Vatican rahateo.

15 hatramin'ny 20 andro aorian'ny fahafatesan'ny Papa Ray Masina no hanatanterahana ny "Conclave", fifidianana miafina, ka ny Kardinaly erantany latsaky ny 80 taona no mandray anjara. Anisan'izany ny i Mgr Désiré Tsarahazana, Kardinaly eto Madagasikara, izay 70 taona ankehitriny. I Mgr Mykola cardinal Bychok, izay vao 45 taona monja no zandriny indrindra amin'ireo Kardinaly hifidy.

Malagasy faha-3 hifidy Papa Ray Masina

Arsevekan'i Toamasina ary lasa Kardinaly ny volana Jona 2018 ny Mgr Desiré Tsarahazana. Hihazo an'i Vatican ny tenany afaka herinandro vitsy ka hiatrika ny Fifidianana ny Papa vaovao.
I Mgr Victor Cardinal Razafimahatratra no nandray anjara voalohany tamin'izany conclave izany. Ny 25-26 aogositra 1978 tamin'ny nahavoafidy an'i Papa Jean Paul I sy tamin'ny 14-16 oktobra 1978 tamin'ny nahavoafidy an'i Papa Jean Paul II. I Mgr Gaëtan cardinal Razafindratandra kosa no faharoa izay nandray anjara tamin'ny conclave nifidianana an'i Papa Benoît XVI (19-18 Aprily 2005).
Mitokana ao amin'ny Chapelle Sixtine ireo Kardinaly mpifidy, mandra-pahalanin'ny Papa vaovao. Izay kandida mahazo ny 2/3-n'ny vato no lany.

Iza àry no mety ho Papa Ray Masina vaovao ?

Ny Ray Masina faha-267 no ho fidiana amin'ny Conclave afaka herinandro vitsy. Araka ny fitsipika eo anivon'ny Fiangonana Katolika, mananjo hirotsaka ho fidiana ireo kristiana katolika vita batemy. Ireo Kardinaly nefa no tena mirotsaka ho fidiana, sady efa mahafehy rahateo ireo pitsopitsony rehetra mikasika ny andraikitra ho raisina.
Anisan'ireo kandida matanjaka na "Papabile" ohatra ny Sekreteram-panjakan'i Vatican hatramin'ny taona 2013, dia ny Kardinaly Pietro Parolin. Voatonona matetika ihany koa ny Kardinaly asiatika voalohany, dia i Mgr Louis Antonio Tagle.

Ireo tsara ho fantatra :
-Manao lahateny tsirairay ireo Kardinaly mpandray anjara, ka miankina amin'izany ny mety hahazoany vato. Manatanteraka izany ihany koa ny kristiana lahika, raha misy te hirotsaka ho fidiana ho Papa. Koa satria fifidianana no atao, ireo efa manana andraikitra goavana eo anivon'ny Fiangonana Katolika no mety hahazo toerana. Tsy azo adinoina nefa fa maromaro ireo kardinaly toa vitsy mpahalala no lany Papa soa aman-tsara.
-Misy karazana setroka roa avoaka eo amin'ny "Cheminée"-n'ny Chapelle Sixtine : fotsy raha efa nahazo vokatra, mainty kosa raha mbola tsy vita ny fifidianana.
-Marobe ireo mpino kristiana katolika mijanona eo ivelan'ny Chapelle Sixtine ka mitondra am-bavaka ny fifidianana Papa, mandra-pahazo vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires