Fandevenana ny Papa François : Vatapaty 3 sosona no misy ny nofony
Ny sabotsy 26 aprily no hanatanterahana ny fandevenana ny Papa Fransoa, Ray Masina faha-266.
Ny sabotsy ho avy izao, amin'ny 10 ora maraina (oran'i Vatican) no hanaovana ny lamesa fanaovam-beloma farany ny Papa François, manoloana ny Basilique Saint Pierre. Araka ny hafany fahavelony, ao amin'ny Basilique Santa Maria Maggiore no handevenana azy.
Ireo vatapaty misy ny nofony
Sady filoham-panjakana ao Vatican no lehiben'ny Eglizy Katolika manerantany ny Papa François. Noho izany indrindra, miavaka ny vatapaty misy ny nofomangatsiakany, izay telo sosona be izao.
Vata voalohany
Vita amin'ny bois de cyprès ny vata voalohany. Manambara ny fanetrentena sy ny fahatsorana, noho izy nanolo-tena tanteraka tamin'ny asa fanompana.
Ny cyprès moa dia mateza ka manambara ny fanantenana ny fitsanganana sy ny tsy fahalovan'ny fanahy.
Ny vata faharoa
Ny vata faharoa kosa, eo ampovoany, dia vita amin'ny zinc na firaka. Io akora io miaro ny vatana amin'ny fahalovana. Apetraka ao anatiny ihany koa ny antontan-taratasy mombamomba ny Papa sy ny mari-boninahitra mifandraika amin'ny fiketrahana masina.
Vata fahatelo
Ilay vata ivelany dia vita amin'ny bois de chêne. Io izany ilay vatam-paty tazan'ny rehetra rehefa bataina ny razana. Manambara fiandrianana ity vata farany ity.
Marihana fa tsy fonosina lamba ny vatan'ny Ray Masina fa apetraka anatin'ireo vata fotsiny. Rehefa bataina sy alevina ny Papa, hidiana fotsiny ireo vata tsirairay.
Fandaharam-potoana
Mbola ao amin’ny Chapelle Sainte Marthe ny nofomangatsiakan’i Pape François, androany talata 22 Aprily. Rahampitso alarobia 23 Aprily kosa, hafindra ao amin’ny Basilique Saint Pierre ny vatany, hahafahan’ireo kristiana mijery sy manao veloma azy. Ny Eokaristia Masina, ny sabotsy 26 aprily, dia ho faranana amin'ny "Ultima Commendatio" sy ny "Valedicto", izay manamarika ny fiandohan'ny "Novemdiales" na 9 andro fisaonana. Ny sabotsy 26 aprily hatramin'ny alahady 4 may 2025 izany no vanim-potoana fisaonana ho an'ny Eglizy Katolika manerantany.
Nanoratra « didy miafina » ny Papa François, ka nangataka manokana ny tenany mba ho atao tsotra ny fandevenana, ary ny anarana hoe « Franciscus » fotsiny no soratana eo amin’ny vatom-pasany fa tsy asiana haingo samihafa.
Marobe ireo olom-panjakana, olo-malaza sy manana andraikitra ambony amin’ny Fiangonana Katolika no hanotrona ny lamesam-pandevenana. Efa nanamafy ny fahatongavany ohatra ny filoha Amerikana Donald Trump sy ny filoha frantsay Emmanuël Macron.