Finoana Katolika : Hisy fanompoam-pivavahana noho ny soa azo tamin’i Papa Fransoa ao amin’ny ECAR Antanimena
Manoloana ny fahalasan’i Papa Fransoa, omaly alatsinainy dia hisy ny Eokaristia masina hankalazaina, hisaorana an’Andriamanitra tamin’ny fahasoavana azon’ny Eglizy, indrindra fa ny teto Madagasikara, tamin’ny alalany, izay hatao ny Alarobia 23 Avrily 2025 amin’ny 7 ora sy sasany ao amin’ny Eglizy Katolika Antanimena. Io no hotanterahina amin’ny fomba ofisialy raha entanina ny isaky ny Diosezy sy ny paroasy hankalaza izany, ihany koa.
Hotarihin’ny Kardinaly miaraka amin’ny Nonce Apostolique sy ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ary ny Arsevekan’ Antananarivo io fotoana io. Hanotrona izany Sorom-pisaorana izany kosa ireo Evekan’i Madagasikara. Raha tsiahivina dia ny Papa Fransoa no Papa faharoa namangy an’i Madagasikara, ny taona 2019, raha i Papa Jean Paul II no nanatanteraka izany, voalohany, ny taona 1989.
Amin’ny finoana Katolika dia ny Papa no Filoha ambony indrindra. Mpitondra ny hafatr’Andrimanitra amin’ireo mpino ny tenany. Ny fitsidihana firenena, toy ny nataony teto Madagasikara, dia hanantenan’ireo mpino fiovana isan-karazany. Izany soa entiny izany indrindra no anton’ny hisaorana an’Andriamanitra amin’ny alalan’io Eokaristia masina io.
Fandevenana
Hatreto dia mbola tsy misy ny daty mazava hanatanterahana ny fanendevanana ny Papa. Araka ny fanazavana dia eo anelanelan'ny efatra ka hatramin'ny enina andro aorian'ny fahafatesany, no hanatanterahana izany. Mialoha izany dia hapetraka ampahibemaso ao amin’ny Basilikan'i Md Piera ny nofo mangatsiakany. Izany dia mba hahafahan’ny olona rehetra na ny mpino Katolika na finoana hafa na mpitondra firenena maro manome voninahitra azy sy mivavaka ho an'ny fanahiny.
Hotanterahina 15 hatramin’ny 20 andro aorian’ny nahafatesany kosa ny « conclave » izay hifidianana izay ho Papa vaovao indray.