• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Faritra Diana : Fatana nohatsaraina miisa 32 nozaraina ho an’ireo mpamokatra loha-menaka Ylang Ylang

07/10/2024 12:09 © Moov

Nitsidika ireo mpamokatra Ylang Ylang tao Nosy Be ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nizarana « alambics » na fatana nohatsaraina ho an’ny koperativa miisa 32 hahafahana manatsara ny famokarana loha-menaka Ylang Ylang. Avy tamin’ny alalan’ny Tetikasa PIC (Pôles Intégrés de Croissance) izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola no nahafahana nizara izany.

Fampandrosoana

Nanamafy ny Minisitra fa mitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra Diana io fambolena Ylang Ylang io. Tantsaha mpamokatra miisa 400 mikambana anatin'ny Plateforme Huile Essentielle Ylang Ylang, no mpisitraka mivantana ireo fitaovana ireo. Nitsidika ny Kaoperativa Ko.A.Y.A, iray amin'ireo mpisitraka ny tetikasa, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, sy ny delegasiona miaraka aminy, niaraka tamin'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Nosy Be, Arosy Namiandrazana François, tao Antsakolany. Ity tetikasa ity rahateo dia mbola nanamafy ny famokarana sy ny fampandrosoana ho an’ny faritra ihany koa. Nahitàna fahombiazana ho an'ireo tantsaha mpamokatra izany tetikasa izany satria nahazo ny tohana ara-teknika izy ireo, nahafahana nampiroborobo ny famokarana Ylang Ylang. Raha naharitra 24 ora ny famokarana menaka manitra 2, 5 Litatra teo aloha, ankehitriny kosa, vita ao anatin'ny 14 ora ny menaka manitra 3 Litatra, amin'ny fampiasana ity fatana vaovao ity. Hampitombo hatrany ny vola miditra ao amin’ny tokantrano mpisitraka tsirairay izany.

Fikambanana

Tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny fampiroboroboana sy ny fampivoarana ireo vokatra mampiavaka ny Distrika tsirairay. Izany indrindra no antony hampiroboroboana ny fambolena isam-paritra. Etsy andaniny anefa dia nanentana ny tantsaha ny Minisitra ny hidirana anaty fikambanana. « Mora kokoa ny manampy sy mitondra tantsoroka ireo tantsaha mivondrona anaty Fikambanana" hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio. Namporisika ireo tantsaha ny ho amin’izany araka izany ny tenany nandritra ireo fidinana tany Nosy Be ireo. Raha ho an’ity tanàna ity manokana dia ny Ylang Ylang no manamarika azy. Hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka ny fidirana ao anatin’ny fikambanana araka izany.

Lire la suite

Articles Similaires