• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mitohy ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faharoa

07/10/2024 09:26 © Moov

Miroso ny asa. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fitsidihana sy fanaraha-maso ny asa mandeha ho fikojakojana sy fanarenana ny lalam-pirenena faharoa « RN2 », mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Niaraka tamin’ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Asa vaventy ny iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay mpamatsy vola ny asa tamin’izany.

Mbola haharitra

Nanamafy ny Minisitry ny asa vaventy fa tsy vita iray na roa volana ny asa fanarenana io RN2 io. Orinasa sinoa miisa roa no manatanteraka ny asa eny amin’ny RN2. Ny orinasa CHEC no miandraikitra ny tapany voalohany, miainga eto Antananarivo hatrany Moramanga. Ny orinasa CRCC kosa no misahana ny tapany faharoa, miainga eo Ranomafana hatrany Toamasina, mandalo an’Antsampanana. Tao anatin’izany dia namafisina ihany koa ny baiko nomena ny orinasa mba hanatsara ny fivezivezen’ny fiara, indrindra amin’ireo toerana tena mampijaly ireo mpitatitra sy mpampiasa lalana. « Ny fanatsarana ny fifamoivoizana kosa no hirosoana isan’andro. Mitohy ny ezaka atao ho amin’izany, indrindra mialohan’ny vanimpotoam-pahavaratra sy ny fotoana fanondranana ny « letchis » », hoy hatrany ny Minisitra Rafidison Richard Théodore. Mbola maro rahateo ireo asa tanterahina ka mety hampikorontana io fifamezivezena io.

Asa miandry

Mbola maro ireo asa ho tanterahina, asa goavana avokoa izany, izay famatsiam-bolan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa « Projet de Développement Durable des Routes" na PDDR. Ao anatin’izany ohatra ny fijerena ny famakiana vato, ny fitaovana sy fiarabe, ireo mpiasa sy ny fitandroana ireo pitsopitsony rehetra. Etsy andaniny anefa dia efa miasa avokoa ireo orinasa manatanteraka ny pitsopitsony rehetra. Tsara ny manamarika fa lasa hatramin’ny 12 ora ny famitana ity lalana ity raha 8 ora izany teo aloha. Hamerenana izany indrindra no maha-zavadehibe ity asa ho tanterahina ity. Hanamafy ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara rahateo ny famitana io lalam-pirenena io ka izay no maha-zava-dehibe ny asa. Tanjon’ny asa rahateo ny fametrahana ny RN2 no lalandran’ny toekarena sy ny fampandrosoana ny Firenena. Mbola ao anatin’ny asa ho tanterahina ny fanavaozana sy fanamboarana ireny toeram-pandanjana ireny eny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny.

Lire la suite

Articles Similaires