• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Nomarihina omaly ny andro tsy misy fandotoana voalohany, eto Madagasikara

07/10/2024 06:46 © Moov.Mg

Mifoka rivotra maloto avokoa ny 91%-n’ny mponina eto ambonin’ny tany, tafiditra ao antin’izany ny vahoaka Malagasy, indrindra ny mponin’Antananarivo. Ho fanentanana sy ho ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra, dia nomarihina omaly ny andro tsy misy fandotoana eto Madagasikara.

Fandotoana ateraky ny fiara

Voalohany teto amintsika no nanokanana andro anankiray ho andro tsy misy fandotoana. Diabe no notanterahina nandritra izany, omaly 6 ôktôbra 2024, niainga teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, nihazo ny tonelina Ambohidahy. Lohahevitra novoizina nandritra izany ny hoe : « Ady amin’ny fandotoana ateraky ny fiara ». Nisy ihany koa ny fampisehoana ireo fitaovam-pitaterana mandeha amin’ny herinaratra, toy ny fiara sy ny moto. Teo koa ny fampahafantarana ireo zava-maniry manadio ny tontolo iainana, izay misy karazany manadio ny tany, ao no manadio ny rano ary misy ny manadio rivotra. Araka izany, nakatona ho an’ireo fiara sy kodiaran-droa mandeha amin’ny solika ny lalana manodidina an’Ambohidahy sy Mahamasina, nandritra ny fanamarihna ny andro tsy misy fandotoana, omaly. Nomena vahana kosa ny mpandeha an-tongotra, ireo fiara, kodiaran-droa, « trotinettes » mandeha amin’ny herinaratra ary ny bisikileta. « Tsapa androany fa azo atao ny miaina rivotra madio eto Antananarivo. », hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. « Manana « capteur » ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay ahafahana manara-maso ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo, ka ahafahana miaro ireo olona marefo. Maitso daholo ny « capteurs » rehetra androany maraina », hoy ny fanazavany.

Fampihenana ny dian-tomboka karbônina

Tafiditra ao anatin’ny fanentanana mahakasika ny hamehana ara-toetr’andro sy ny fampiroboroboana ny fifamoivoizana maharitra, eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), miaraka amin’ireo Minisitera sy sampan-draharaha voakasik’izany, ity hetsika notanterahana omaly ity. Tanjona ihany koa ny hanentanana ny sarambabem-bahoaka mahakasika ny mahazava-dehibe ny fampihenana ny dian-tomboka karbônina (empreinte carbone), ary hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra amin’ny fampihenana ny fampiasana ireo fiara atosi-milina mandeha amin’ny solika. Mitombo araka ny fitombon’ny mponina ny fiara, hoy ny tale jeneralin’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia, ny jeneraly Reribake Jeannot. Amin’izao fotoana izao dia misy 400.000 eo ho eo ny fiara mivezivezy isan-taona manerana an’i Madagasikara, izay mandalo fitsirihana eny amin’ny fitsarana fiarakodia. Notsiahiviny fa misy ny fanapahana iraisan’ny ministera laharana faha-6941/2000, mametra ireo entona avoakan’ny fiarakodia. Manodidina ny 2 000 isa isan-taona ny fiara izay tsy manaraka ireo fepetra voafaritr’io fanapahana io, rehefa atao fitsirihana ara-teknika, ka voasintona ny taratasy fanamarinana ny fitsirihana ataony, mandrapanamboarana ny tsy mety, hoy hatrany ny jeneraly Reribake Jeannot.

Manoloana ny loton’ny rivotra sy ho fanatanterahana ny Tondrozotra Nasionaly momba ny Fitantanana ny Fandotoana, dia hankalazaina isan-taona, manomboka amin’ity taona 2024 ity, ny andro tsy misy fandotoana.

Lire la suite

Articles Similaires