• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vanim-potoanan’ny doro tanety eto Madagasikara : Mihalasa aloha ary mihamaharitra kokoa

04/10/2024 16:49 © Moov.Mg

Mihasarotra hatrany ny fitantanana ny afo eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Iontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny anefa ny ministera, miezaka mifehy izany, araka izay tratra.

Mihasarotra ny asa famonoana afo

Somary lasa aloha, ary maharitra kokoa fa tsy ny toy ny taloha, ny vanim-potoanan’ny doro tanety eto Madagasikara, ankehitriny, araka ny tsikaritry ny avy eo anivon’ny MEDD. Tsy mora anefa ny fifehezana ny afo sy ny asa famonoana ny firehetana, rehefa misy trangana doro tanety na doro ala, satria maina ny andro ka mahazo vahana ny afo. Ny fitaovana entina miatrika izany anefa tsy ampy. Ny volana septambra sy ôktôbra no volana sarotra indrindra eto Madagasikara, amin’ny fitantanana ny afo, indrindra ny doro tanety, hoy ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina, omaly, taorian’ny dinika nasiônaly fahadimy ho fiomanana amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fihaonana an-tampony momba ny tontolo iainana (COP). Tsy mbola mirotsaka mantsy ny orana mandritra ireo volana ireo, ny andro anefa mihamafana, miomana amin’ny taom-pambolena ihany koa ny olona, antony andoroany ny tanety. Nanamafy anefa ny minisitra, fa na eo aza izany rehetra izany dia miezaka mafy ny MEDD, miaraka amin’ny Komity Miady amin’ny Doro Tanety (KMDT), ny Distrika, ny mpiara-miombon’antoka avy any amin’ny ministera hafa, misoroka sy miady amin’izany afo izany.

Drafitra hiatrehana ny hamehana

Efa nankatoavin’ny filàn-kevitry ny governemanta tamin’iny volana septambra lasa teo iny ny drafitra hiatrehana ny hamehana momba ny afo (plan national de contingence feux), araka ny nambaran’ny minisitra Fontaine Max. Niarahan’ny MEDD namolavola tamin’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) sy ny solon-tenan’ny Mpitantana Valan-javaboary, Madagascar National Parks ary ny WWF Madagasikara, ity drafitra ity. Izy ity no isan’ny fitaovana entina mandrindra ny fiatrehana ny trangan'afo. Tanjona tamin’ny namolavolana azy ny hiarovana maharitra ny harena voajanahary sy ny vahoaka eny ifotony. Maharitra andro maromaro mihitsy mantsy, indraindray, ny famonoana ny afo ataon’ny mpianala, ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Na dia efa malefaka aza ny afo dia mety hitombo na hihanaka indray izany, amin’ny fotoana tsy ampoizina.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia manentana ny rehetra, mba hitandrina ny MEDD, indrindra amin’izao vanim-potoan'ny main-tany izao, hisorohana ny firehetana, ary koa hifanome tanana, raha sendra mahita trangana afo.

Lire la suite

Articles Similaires