• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana : Latsaky ny 1% amin’ny mpifidy ny isan’ireo olona manana fahasembanana afaka nandray anjara

04/10/2024 15:37 © Moov

Mbola vitsy ireo olona manana fahasembanana no mandray anjara amin’ny fifidianana. Raha ny tatitra tamin’ny fifidianana solombavamabahoaka farany teo dia 0.96% amin’ny isan’ny mpifidy rehetra izany. Mbola maromaro ny lesoka mila harenina ao anatin’izany sehatra izany raha te hampihatra ny fampiatiana amin’ny ankapobeny.

Ampiana ny ezaka

Raha io tatitra avy amin’ny CENI io dia miisa 5189 ihany ireo olona manana fahasembanana no afaka nandray anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Na dia efa nisy aza ny ezaka ho amin’ny fampiatiana natao’ity rafitra iray ity dia mbola tsy ampy izany ary mbola mila ampiana ny ezaka. « Marina fa tsy mbola ampy 1% akory ireo olona manana fahasembanana ireo no nandray anjara tamin’ny fifidianana. Mbola azo lazaina ho maro ireo sakana saingy mandeha tsikelikely io ary mitaky ny fandraisana andraikitry ny tsirairay », hoy i Falihery Razafindrakoto, tompon’andraikitry ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana amin’ny fifidianana. Ao anatin’ny ezaka mbola mila harenina ny sakatsakana maro isan-karazany eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny tontolo manodidina ireny olona ireny. Ao anatin’izany ny tsy fahafahana misoratra ao anaty lisi-pifidianana, olana iray mbola tena misongadina amin’izany io. Eo ihany koa ny fametrahana ireo biraom-pifidianana, tokony mba ho azon’ny olona manana fahasembanana hivezivezena izy ireny, hoy hatrany ny fanazavana.

Fisoratana anarana

Anisan’ny olana iray goavana notsindrian’ireo olona manana fahasembanana ara-pahitana ny tsy fisian’ny anaran’izy ireo tao anaty lisi-pifidianana. Efa nisy ny fiaraha-midika teo amin’ny CENI sy ny olona manana fahasembanana ara-pahitana ka nampidirana ny anaran’izy ireo tao anaty lisitra. Nanamarika anefa izy ireo fa mbola nisy hatrany ny latsaka tao anatin’izany ka tsy afaka nifidy. « Efa nohamoraina ny fahafahanay mifidy tamin’ny alalan’ireo bileta manokana ho anay saingy maro taminay kosa anefa no tsy afaka nifidy satria tsy tao anaty lisitra. Hitanay hoe mila fanovana ny eo amin’ny fisoratana anarana mba tsy hiverenan’izany intsony », hoy ny solontenan’izy ireo. Manantena izany indrindra ireto olona manana fahasembanana ireto amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ity. Anisan’ny fanentanan’ny CENI hatrany rahateo ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires